Fitsipika anatiny mifehy ny Sampana Lehilahy Kristiana Ivry Famonjena

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA
F.P.M.A Ivry Famonjena

FITSIPIKA ANATINY ITONDRANA NY S.L.K
IVRY FAMONJENA

TOKO I . NY SAMPANA

And 1.1- Famaritana: Ny SLK dia sampana, hivondronan’ny lehilahy ao amin’ny Fiangonana Ivry Famonjena mino sy manaiky hanaraka an’i Kristy, miankina ary manaja ny rafitra sy ny fitsipika rehetra eo amin’ny Tafo Ivry Famonjena sy ny FPMA Foibe.

And 1.2-Ny anarana entiny: “ Sampana Lehilahy Kristiana (S.L.K) Ivry Famonjena no anarana hisalorany.

And 1.3 - Ny Foiben-toerany (siège) : Izay misy ny foiben-toeran’ny FPMA IVRY famonjena ihany no raisina ho foiben-toerany.

And 1.4 - Ny Tarigetrany :

A-Mitaona ny lehilahy kristiana rehetra hijoro ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fomba sy toe-panahy kristiana.
B- Ny firalahiana : Mpirahalahy avokoa ny Mpikambana ao : mifanohana , miray hina.
C- Ho kintana fitarik’andro sy modely eo anivon’ny Sampana velona eto Fiangonana Ivry ary ny Fpma manontolo

TOKO I I . NY MPIKAMBANA

And 2.1- Amin’ny maha sampana Lehilahy azy dia tokony ho lehilahy avokoa ny mpikambana ao.

And 2.2- Ny atao hoe Mpikambana dia ireo lehihahy rehetra voasoratra ao amin’ny lisitry ny Mpikambana ary manana karatra maha mpikambana.

And 2.3- Ny Mpikambana dia tokony hanaja ny fitsipika mifehy ny sampana ary koa ny ny Fitipika mifehy ny Fpma

And 2.4- Ny Mpikambana dia tokony hanana toe-panahy maha-kristiana sy fitondran-tena mendrika.

And 2.5- Ny Mpikambana tsotra ao amin’ny SLK dia afaka manana andraikitra any amin’ny Sampana hafa.

And 2.6- Ny Mpikambana Tompon’andraikitra na koa ireo Birao ao amin’ny SLK dia tsy tokony hanana andraikitra mihoatra ny iray any amin’ny Sampana hafa.

And 2.7-Ny Mpikambana dia tokony handoa adidy indray mandeha isam-bolana.

And 2.8-Raha misy tsy fahafahan’ny Mpikambana manatrika fivoriana na hetsika ataon’ny Sampana dia tsara raha mampandre mialoha ny birao izy.

And 2.9-Ny Mpikambana dia tokony hampandre haingana ny birao raha misy toe-javatra mitranga eo amin’ny ankohonany ( na an-kafaliana na an-karatsiana).

TOKO III . NY BIRAO

And 3.1 - Toy izao no firafitry ny birao farafahakeliny:
Filoha iray
Filoha Mpanampy iray
Mpitantam-bola iray
Mpitantsoratra iray

And 3. 2 - Ny fe-potoana iasan’ny Birao dia voafaritry ny fitsipiky anatiny ny Fiangonana Ivry Famonjena.

And 3. 3 - Raha misy fahabangan’ny toerana mandritra io fe-potoana io dia ny fivoriam-be no manao fifidianana mba hahafahana mameno izany toerana izany.

And 3. 4 - Ny Biraon’ny SLK dia manao ny tatitra amin’ny biraom-piangonana isan-taona ny amin’ny ara-bola, ara-pitaovana, ny asa nosahaniny nandritry ny taona nodiavina.

And 3. 5 - Ny Biraon’ny Sampana no mamolavola ny tetik’asa rehetra hampandrosoana ny Sampana.

And 3. 6 - N y Birao dia tokony hivory indray mandeha isam-bolana.

And 3. 7 - Iireto avy no asa tokony hiandraketan’ny Birao ary atao isan-taona izany:
-Fanavaozana ny lisitry ny Mpikambana.
-Fandinihana ny fitsipika anatiny
-Famaritana ny soritr’asa mandritra ny taona
-Fanamarinana ny Kaontin’ny Sampana sy ny fananan’ny Sampana , ary iarahana amin’ny amin’ny Mpandini-bolan’ny Fiangonana

And 3. 8 - NY FILOHA

And 3. 8. 1- Ny filoha no misolo-tena ofisialin’ny ny Sampana eo amin’ny Sehatra rehetra : Komity, fiangonana, sampana iraisana….

And 3. 8.2 – Ny filoha no miantso sy mitarika ny fivorianan’ny birao sy ny fivoriam-be.

And 3. 8.3 – Ny filoha no manao ny tatitra amin’ny biraom-piangonana isan-taona ny amin’ny ara-bola, ara-pitaovana, ny asa nosahaniny nandritry ny taona nodiavina.

And 3. 8.4 – Ny Filoha no Tompon’Andraikitra voalohany amin’ny hetsika na asa ataon’ny Sampana.

And 3. 8.5- Tsy azo fidiana ho filoha ireo diakona ao amin’ny Fiangonana.

And 3. 8.6 – Ny famoaham-bola ao amin’ny kitapom-bolan’ny Sampana dia tokony hahazo alalana avy amin’ny Filoha

And 3. 9 – NY FILOHA MPANAMPY

And 3..9. 1-Ny Filoha mpanampy no misolo toerana ny filoha amin’ny fotoana tsy mahaeo azy.

And 3.9. 2-Mifanampy amin’ny filoha izy amin’ny fanomanana sy ny fitarihana ny fivoriana.

And 3. 10 – NY MPITAN-TSORATRA

And 3. 10. 1- Ny mpitantsoratra no mirakitra an-tsoratra ny fehin-kevitra tapaka amin’ny fivoriana rehetra.
And 3. 10. 2-Mitana an-tsoratra ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny Sampana izy: fihetsiketsehana, fandehanana mivoaka, fankalazana.

And 3. 10. 3-Ny mpitantsoratra no miandraikitra ny serasera ato anatiny sy ivelan’ny Sampana.

And 3. 10. 4-Afaka misolo toerana ny Filoha amin’ny fivoriana na serasera raha misy tsy fahafahana voamarina ny Filoha sy ny Filoha Mpanampy.

And 3. 10. 5 - Ny Mpitan-tsoratra no miandraikitra ireo boky firaketana misy:
Ny lisitry ny Mpikambana ao amin’ny SLK, manavao izany ho ara-potoana (adiresy, mailaka…)
Ny tatitr’ireo fivoriana isan-karazany
Ny asa samihafa efa natao
(ireo boky firaketana ireo dia azon’ny Biraon’ny SLK na ny Biraom-piangonana jerena raha misy ilaina izany.)

And 3. 11 – NY MPITANTAM-BOLA

And 3. 11.1 -Miandraikitra ny Fanoratana ampilaminana ny vola mivoaka sy miditra.ao amin’ny Bokim-bola izy, ka izany dia hataony ao anatin’ny herinandro navoahan’ny vola na nidirany.

And 3.11.2 -Izy ihany koa no tompon’andraikitra mandray ny vola miditra rehetra : mandritra fihetsiketsehana ataon’ny Sampana na koa ny adidy hefain’ny Mpikambana , na fanomezana…

And 3.11.3 -Tsy mitahiry vola eo ampelatanana ny Mpitantam-bolan’ny Sampana.Ny lela-vola ,na taratasim-bola miditra rehetra dia ho arotsany any amin’ny Mpitahiry volan’ny Fiangonana herinandro aoriana.

And 3.11.4 -Miandraikitra ny fitehirizana ny bokim-bola sy ny fanamarinam-bola (pièces justifs)(mivoaka na miditra)ary ny rosia , ary koa ny boky mirakitra ny fananan’ny Sampana (tableau d’amortissement raha ilaina).

And 3.11.5- Izy ihany koa no manomana ny taratasy fangatahana famoaham-bola , mampanao sonia izany amin’ny filohan’ny Sampana na ny Filoha lefitra ary maka izany vola izany any amin’ny Mpitahiry volan’ny Fiangonana.

And 3.11.6- Manomana bokim-bola sy ny fanamarinam-bola rehetra ka manome izany ny Mpandini-bolan’ny Fiangonana .

And 3.11.7- Ny famindran’asa (passation) amin’ny Mpitantam-bola voavao dia tokony ho vita ao anatin’ny 1 volana ao aorian’ny fifidianana.

And 3.11.8- Manara-maso ny volan’ny SLK ao amin’ny kitapombolan’ny Fiangonana izy.

And 3.11.9-Ny vola mivoaka dia iarahany manapaka miaraka amin’ny Filohan’ny SLK izay mampilaza ny birao manontolo.

And 3. 11 10-Manao tatitra amin’ny Birao isaky ny misy vola mivoaka na miditra izy.

TOKO IV . NY RAFI-PITONDRANA

Rafitra an-tanan-tohatra roa ny fomba fiasa ao amin’ny SLK Ivry :
1-Ny fivorian’ny Birao
2-Fivoriambe ataon’ny mpikambana
.

IV.1-FIVORIAN’NY MPIKAMBANA

And 4.1.1- Mivory ara-potoana indray mandeha isan-taona ny mpikambana.
And 4.1.2- Ny fiantsoana fivoriana dia farafakeliny 2 (roa) herinandro mialoha.
And 4.1.3-Afaka manatrika ny fivorian’ny mpikambana ny lehilahy rehetra ao amin’ny tafo, ary afaka mitondra ny heviny izy ireo amin’izany saingy ny mpikambana voasoratra ihany no afaka mifidy sy manapa-kevitra

And 4.1.4-Ny fivoriam-ben’ny mpikambana no tompon’ny teny farany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra.

And 4.1.5-Tsy misy salan’isa tratrarina amin’ny isan’ny mpikambana tonga mivory (tsy misy Quorum).

And 4.1.6-Lany ny hevitra iray raha toa ka voafidin’ny antsasaky ny mpivory miampy iray farafakeliny.(majorité relative).

And 4.1.7-Ny fivoriam-ben’ny mpikambana no mifidy ny birao rehefa lany ny fe-potoana iasan’izy ireo na raha misy toerana banga ao aminy.

And 4.1.8-Ny mpitan-tsoratra no manao ny tatitra an-tsoratra ny hevitra tapaka nandritran’ny fivorian’ny mpikambana.ary mampanao sonia izany ny Filoha na ny Filoha lefitra.Rehefa tanteraka izany dia handefasany dika mitovy ny Biraon’nyFiangonana.

And 4.1.9- Ny mpitan-tsoratra no manomana ny taratasy fanamarinam-pahatongavana (ficche de présence) ary mampanao sonia izany amin’ireo mpivory.

And 4.1.9- Ny fivoriam-ben’ny mpikambana no mifidy ny Birao.

IV.2-FIVORIAN’NY BIRAO

And 4.2.1-Ny fivoriana voalohan’ny birao vaovao dia atao ao anatin’ny roa herinandro aorian’ny fifidianana.

And 4.2.2-Tsy azo tanterahana ny fivoriana raha tsy eo anatrehan’ny antsasa-manilan’ny mpikambana ao amin’ny birao.

And 4.2.3-Azo entina eo amin’ny fivorian’ny mpikambana ny volavolan-kevitra avy ao amin’ny birao raha toa ka lanin’ny antsasa-manilan’ny mpikambana ao amin’ny birao izany.Ny hevitra tapaky ny Birao dia entina ankatovin’ny fivoriam-be.

And 4.2.4-Raha misy toe-javatra ilana fanapaha-kevitra maika voamarina, izay tsy ahafahana miantso fivoriam-be,dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny birao.

TOKO V . NY RAHARAHAM-BOLA

And 5. 1-Ny vola miditra

And 5. 1.1- Azon’ny Sampana atao ny fitadiavam-bola amin’ny fomba rehetra saingy tsy maintsy mifanaraka amin’ny toe-panahy kristiana izany , mifanaraka amin’ny fitsipika mifehy ny fiangonana sy ny Fpma.

And 5. 1.1-Ny latsak’emboka ataon’ny Mpikambana tsiraray (izay foy) isam-bolana no vola miditra raikitra ho an’ny Sampana.

And 5. 1.2- Hetsika iray isan-taona farafaharatsiny no ataon’ny Sampana mba hahazoana vola. Hetsika nahazo fankatoavana tamin’ny Fiangonana.

And 5. 1.3- Ampahafantarina ny mpikambana ny vola azo tamin’ny hetsika nataon’ny Sampana ary izay dia lazaina amin’ny raharaham-piangonana herinandro aoriana.

And 5. 1.4- Azon’ny Sampana atao ny manadray ireo fanomezana samihafa avy amin’ny Mpikambana na avy any ivelany.

And 5. 2-Ny vola mivoaka

And 5.1.1- Ny vola sy ny fitaovan’ny Sampana dia entina indrindra indrindra hampiroboroboana ny asan’Andriamanitra ,hanampiana ny ory,hanaovana adidy maro samihafa ary koa ho fampitovana. Tsy tokony hisy araka izany ny fandanindaniam-poana.

And 5. 1.2 – Azon’ny Birao atao avy hatrany ny mamoaka vola sy manatanteraka ny asa famangiana raha misy zava-mitranga araka ny hita amin’ny tabilao etsy ambany (en euros):
a- Fahoriana : Mpikambana,vady,zanaka……………………………….25
Ray aman-dreny ………………………………………20
Iray tampo……………………………………………..15

b- Aretina (miditra hopitaly mihoatra ny iray andro)
Mpikambana, vady ,zanaka…………………………..15

c- Fifaliana : Teraka……………………………………………………….15
Sakramenta : Batisa :tena, vady,zanaka…………….15
mpandray……………………………..15
Fanokanana sy fandraisan-tanana Diakona…………..15
Fanamasinana mariazy…………………………………..15
Raha misy tranga hafa ankoatra ireodia ny fivorian’ny birao no manapakevitra

TOKO VI . NY SLK SY NY FIANGONANA IVRY FAMONJENA

And 6. 1-Ny SLK dia manaja sy manaraka ny rafitra sy ny fitsipiky mis ao amin’ny Fiangonana Ivry famonjena sy ny FPMA Foibe

And 6. 2-Ny SLK dia mandray anjara amin’ny fiainam-piangonana (fanompoam-pivavahana, vokatra, hetsiky ny fiangonana na sampana ao amin’ny fiangonana, fanabeazana, fitandroana ny filaminana, fanadiovana ny tranom-piangonana…) araka izay azo atao sy angatahina aminy.

And 6. 3-Ny fivoriambe SLK sy ny Fiangonana Ivry (MFT) no afaka mampiato na mandrava ny SLK.

And 6. 4-Ny fananan’ny SLK, ny fitaovan’ny SLK, ny vola rehetra dia lasa fananan’ny Fiangonana raha rava ny SLK.

Ny S.L.K Ivry Famonjena

TSIAHIVIKO ANAO RASALAMA

TSIAHIVIKO ANAO RASALAMA

 
Ny 14 aogositra 1837, izany hoe feno 170 taona izay, no nandefonana an-dRasalama, martiora malagasy voalohany (1), tao Ambohipotsy, eo andafiatsimon’ny Rovan’i Manjakamiadana.

 
37 taona Rasalama tamin’izay (2).
 
Rasalama dia nianatra tao amin’ny « the central school», tamin’ny taona 1824 tany ho any,  izay fitambaran’ny « the Royal Missionary College » an’i David Jones (Jonjilava) sy ny « Ecole de Griffiths» (2,3).

 
Rasalama dia anisan’ireo malagasy roapolo vita batisa voalohany tamin’ny 29 mey 1831 tao amin’ny fiangonana Ambodin’Andohalo, izay fiangonana voalohany tao Antananarivo. Ny 12 jona 1831 no androm-pandraisana voalohany tao amin’ny fiangonana Ambatonakanga (2).

 
Tonga ary ny fanenjehena ireo kristiana nanomboka ny taona 1836 (11,12). Ny volana Jolay 1837 no voasambotra tao amin’ny zohy niafenany i Rasalama ary natao ho andevo. Anisan’ny sazy, tamin’ny lalam-panjakana fahizay, ny famarinana ny olo-meloka ho lasa andevo (nampiasaina tsy misy karama, very zo sy hasina). Tsy nety niasa ny alahady anefa Rasalama fa andro natokana ho fivavahana izany hoy izy. Ary amin’ny andro farany dia mitovy ny olona rehetra hoy ihany izy. Tezitra ireo tompony nahare izany ka nitatitra izany sy nanolotra azy tamin’ny fanjakana fa mamingavinga sy manimbazimba ny hasin’ny Mpanjaka ho mitovy amin’ny rehetra izy. Nogadraina tao Ambatonakanga, izay lasa fonja, i Rasalama. Nentina niakatra teny Ambohipotsy i Rasalama. Ambohipotsy dia toerana famonoana olona voasazy fahizay.

 
Rasalama dia tena nitazona ilay finoana vaovao tamin’ny Malagasy, tsy mivavaka amin’ny razana na sampy na manao sikidy. Hoy indrindra izy miteny hoe : « Hitako ny lalantsara ka izorako, azoko ny famonjena ka tanako ».

 
Maro ireo Kristiana tamin’izany vanimpotoana izany navarina tsisy antra tao Tsimihatsaka, eo amin’ny tevam-bato, ao ambany andrefan’ny Rova. Tamin’izay no nampiova ho « Ampamarinana » ny anaran’io toerana io hatramin’izao.

 
Betsaka koa ireo nilefa tany amin’ny faritra Vakinankaratra (atsimon’Antananarivo),  tany Vonizongo (andrefan’Antananarivo) (2),  tao Ambodiafontsy Ampitatafika… Ary nisy aza nitsoaka niampita ranomasina tonga tany amin’ny Nosy Maorisy toa an-dRafaravavy Mary (2,4), izay kristiana nenjehina voalohany. Tao ireo nivenjivenjy, nifindra vohitra, niafina tanaty zohy, ary niseho imasombahoaka rehefa niamboha Ranavalona, toa an’Andriambelo izay voafidy ho Mpitandrina tao Amparibe ny taona 1962 (5).

 
Tsaroana ny tenin-dRanavalona, tompon’ny tany, Mpanjaka an’i Madagasikara, manazava ny tsy fitiavany ny fivavahana kristiana :

·        mpivarotra tanindrazana ireo kristiana,

·        « miala amiko ka mba ialako, mahafoy ahy ka mba foiko »

·        « ny fomban-dRazako tsy mba mahamenitra ahy na mampatahotra ahy »

·        « ny fanaon’ny razako no avela, fa ny fanao ny razan’olona no hatao » (6).

Na dia teo aza ny fanenjehana mihatra aman’aina dia nisy hatrany ireo malagasy resy lahatra tamin’ny fivavahana Kristiana.

Hoy Rakotovao (6), 4 Voninahitra, Dekany Commander in Chief : 

- « Taminy andro Alahady alina 11 Asorotany 1847. No voalohany nanatonako ny nàmana mba hivavak’amin’Andriamanitra…Koanefa anie, Raha misy nahita anay rehetra, ka misambotra anay ho entina ho lazaina aminy Mpanjaka, fa ho nivavaka ; dia vonoina niarak’amin’izay izahay, noho ny tsy fitiavan dRanavalonamanjaka ny fivavahana : koa nefa dia nitohy ny fitiavako ny fivavahana, na misy fahafatesana aza » (pejy 14) 

- « …Alakamisy 13 Alohotsy 1848. Hatramy ny io noho mankaty, nitombo andro amanalina ny olona nivavak’amin’Andriamanitra teto Imerina » (pejy 17).

 
 
 
 
La Reine Ranavalona Ière, a lancé, malgré elle, la base du christianisme malgache, notamment le protestantisme malgache. C’est une loi constante de l’Eglise que, selon la saisissante formule de Tertullien, «le sang des martyrs soit une semence de chrétiens», selon le discours du Pape Paul VI, le samedi 01 avril 1967, lorsqu’il a reçu au Vatican le nouvel Ambassadeur de la République Malgache.Cette formule s’est vérifiée à Madagascar.

 
Ranavalona Ière prohibait les baptêmes en 1932.

Le 01 Mars 1835, jour de Kabary (discours public) de la reine à Mahamasina, au cours duquel elle interdit à son peuple “de prier les ancêtres des étrangers”, autrement dit la pratique de la religion chrétienne sur tout le territoire. Les contrevenants seront persécutés.

 
Ranavolana Ière souhaitait orienter et concentrer les activités des missionnaires et des Vazaha dans l’éducation et le domaine technique.Ceux qui dérobent à ses règles sont expulsés du territoire à partir de 1835 (2,3). Elle fait brûler la bible qui vient d’être imprimée en langue malgache (21 juin 1835), un livre qui rejette les habitudes et les cultes des ancêtres, et qui contient des paroles du « Dieu des étrangers », des contes de blancs (anganom-bazaha) négligeant ses divins kabary (édit de la Reine) notamment prononcés sur les pierres sacrées de Mahamasina (3), inconcevable pour elle.

 
Sévère, Ranavalona Ière, ou Rabodoandrianampoinimerina, s’acharnait sur les chrétiens malgaches et devient allergique à la religion étrangère, l’ancêtre des blancs (7), qui disqualifie la religion du pays, la religion de ses ascendants royaux, le Dieu des ancêtres du Grand Roi Andrianampoinimerina. Elle ne tolèrait pas la négligence des pratiques coutumières ancestrales malgaches. La fureur de la persécution est terrible.Les chrétiens sont mis au rang des brigands et poursuivis partout.

 
Ces chrétiens sont devenus martyrs protestants (7) :

  • brûlés vifs au bois vert à Faravohitra (6) qui se trouve à l’extrême nord de la colline d’Analamanga,
  • mis dans un sac de jute (gony) et jetés du haut de la falaise, à la verticale, en rocher d’Ambonin’Amparimanana (6), juste en contre-bas à l’ouest du Rova ,
  • mis à mort en buvant de force un extrait d’une noix très toxique le tangena (8) comme Andriamahandry,
  • décapités comme à Antotohazo dans le Vonizongo ou à Ambohipotsy (au sud du Rova),
  • lapidés à Fiadanana (6,12),
  • tués aux lances comme Rasalama (véritable icône du protestantisme malgache) ou Rafaralahy Andriamazoto.

Ces martyrs et ces résistances restent emblématiques de la religion protestante malgache et rentrent dans le domaine du patrimoine religieuse malgache.

 
Ces actes de cruauté sans limite de Ranavalona Ière, inouie pour un malgache, sont engendrés en partie par la méfiance de la Reine envers les ambitions des « Vazaha » (les étrangers aux oreilles rouges) et de crainte de perdre l’indépendance de son pays ou plutôt de son royaume. A peine sur le trône, dès 1829, elle devait faire face à l’hostilité du Commandant Français Gourbeyre qui attaquèrent une partie de la côte orientale de l’Ile, d’Ivondrona à la Pointe à Larrée et Tintingue . Elle voit derrière ces missionnaires une force militaire destinée à envahir la Royauté de Madagascar.
 
De ces faits, l’histoire, relatée en grande partie par les missionnaires ou des globe-trotter comme Ida Pfeiffer (9), retient de Ranavalona une reine symbole d’obscurantisme (tany maizina) et de cruauté, la sanglante, « female caligula », (Caligula étant un empereur romain réputé par sa cruauté), ou « the mad Queen of Madagascar » (10).

Alors que pour les gardes des coutumes traditionnelles, Ranavalona Ière fût une grande souveraine, une vraie nationaliste qui a protegé l’indépendance de son pays ou plutôt son royaume et ses valeurs ancestrales (la croyance des ancêtres) au prix fort de la vie de ses compatriotes convertis. Depuis cette époque, la bible et le pouvoir s’entremêlent à Madagascar.

 
                                                                                                                 le 01 / 08 / 2007

 
Bibliographie

 
1°- Dominique Ranaivoson
Iza moa ? Bref dictionnaire historique de Madagascar
Edition Tsipika 2004, P. 132
 
2°- Marguerite Rajonah, Gabrielson Jonah
Heurs et malheurs de l’église malgache au XIX° siècle. Des origines jusqu’en 1895
Imprimerie FJKM Imarivolanitra
 
3°- J.B Piolet
Madagascar et les Hova. Description, organisation, histoire
Page 69, 83
 
4°- Gustave Mondain
Rafaravavy Marie (1808 – 48), une martyre malgache sous Ranavalona Ière
Paris, Société des Missions Evangéliques, 1929
 
5°- Rabary Mpitandrina
Daty malaza
Boky faharoa, 1929, pejy 96 – 99
 
6°- Annick Cohen-Bessy
Ny Bokin-dRakotovao (1843 – 1906)
Tsipika Editeurs, p. 14-19
7°- Henry Rusillon (Société des Missions de Paris, MPF)
Martyrs, épisode de persécution religieuse sous Ranavalona I ère, Reine de Madagascar
Genève, Edition Atar, 1912
Henry Rusillon (Société des Missions de Paris)
 
8°- Témoignage du Père Jouen, cité par le Père de La Vaissière
Histoire de Madagascar, tome I, p. 346.
 
9°- Mme Ida Pfeiffer

Voyage à Madagascar 1857

Traduit de l’allemand par W De Suckau

Paris, Librairie Hachette et Cie,

79, boulevard Saint Germain. 1881, p. 215

 
10°- Keith Laidler

Female Caligula: Ranavalona, The Mad Queen of Madagascar
Hardcover, September 2005
 
11°- R. Lovett,
The History of the London Missionary Society, 1795 - 1896 (1896)
 
 
12°- ELLIS William (Rev.)
The Martyr Church, a Narrative of the Introduction, Progress and Triumph of Christianity in Madagascar
John Snow and Co., London, 1870.

 

Tafo Toulouse : Mpitandrina matianina

 

Alatsinainy 2 Jolay 2007, 

Ho an’ny Filohan’ny Tafo 34 FPMA,
Ho an’ny Filohan’ny faritany 6 FPMA,
Ho an’ny Mpitandrina sy mpiandraikitra ambaratonga rehetra FPMA,
(Fiaraha-mivavaka, sampana iraisina, Tafo, Faritany, vaomiera,…)

Ho an’ny vahoaka FPMA,
Ry Havana,
Faly mamangy anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa kristy ary mampita,

  • Indro (vakio etsy ambany) Taratasy avy amin’ny Filohan’ny Tafo FPMA TOULOUSE,
  • Mizara fa “Noho ny fitahian’Andriamanitra dia vita soamantsara ny fifidiana ny mpitandrina matihanina eto anivon’ny FPMA Toulouse…Voafidy ny fivoriambe tamin’izany ny Mpitandrina Elysée Andriamiandra 
  • FIFALIANA LEHIBE ary dingana manokana eo amin’ny asan’Andriamanitra eto amin’ny fiangonany FPMA manontolo ny firosoana Tafo FPMA amin’ny hananana mpitandrina maty hanina toy izao, satria mampandroso ny asan’Andriamanitra ary MAMALY ny antso avo nataon’ny Synoda Lehibe farany Nov 2006 Tany Orléans izay manasa sy manentana ny Tafo rehetra 34 FPMA hiroso amin’ny fananana mpitandrina matihanina
  • Ampahatsiahivina fa DIMY izany izao ankehitriny ny Tafo FPMA niroso amin’ny fananana mpitandrina matihanina (Paris, La Réunion, Aix-Marseille, Grand-Champs, Toulouse), Telo no nanapakevitra tao aorian’ny Synoda Lehibe Nov 2006 tao Orléans, ary ho ENINA atsy ho atsy ny isan’ny mpitandrina matihanina eto amin’ny FPMA miaraka amin’ny Pastera Synodaly Filohan’ny FPMA 
  • MIARAHABA NY MPITANDRINA, ny MPIANDRAIKITRA sy ny FPMA TOULOUSE MANONTOLO isika noho izy ireo manaiky ny antson’ny Tompo koa vonona mandray andraikitra ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra.
  • Manainga ny Tafo hafa rehetra hamaly ny fanentanan’ny synoda koa dieny izao hitrandraka sy hanapa-kevitra ny amin’ny fananana Mpitandrina matihanina.
  • Mampatsiahy ny tafo rehetra fa efa miasa ny vaomiera natsangan’ny Synoda Lehibe Nov 2006 dia ny VMMM (Vaomiera Mitrandraka ny amin’ny Mpitandrinda Matihanina) tarihin’ny Pastera Falimanana RAHARINDRANTO ( falrahari@aol.com tel 04 42 60 80 52) koa aoka ny Tafo rehetra tsy hiahotra hanantona azy ireo amin’ny fitrandrahana rehetra
  • Aza miahotra mizara malalaka izao tratasy izao amin’ny tandrify azy avy
Voninahitra ho an’Andriamanitra,

Jean-Solo RAFIDINARIVO
Filoha Mpanampy FPMA

    From: Hery Ramamonjisoa [mailto:ramamonjis.hery@numericable.fr]
    Sent: Monday, July 02, 2007 7:30 AM
    To: Rafidinarivo, Jean-Solo
    Subject: FPMA Toulouse : Mpitandrina matihanina
     

    Alatsinainy faha 02 Jolay 2007,

    Ho an’ny tompon’andraikitra FPMA,

    Ry Havana,

    Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo,

    Mahafaly anay ny mizara amintsika izao vaovao izao:

    Noho ny fitahian’Andriamanitra dia vita soamantsara ny fifidiana ny mpitandrina matihanina eto anivon’ny FPMA Toulouse.

    Izay natrehan’ireto manaraka ireto :
    - Ny mpitandrina synodaly Dr rev. Jean Ravalitera, filoha FPMA
    - Ny mpitandrina Charles Rakotondramanana, mpandrindra ny FATSAN
    - Ny filoha+birao FATSAN : Zoniaina Ralantomanana, Lala Ramanantoandro, Solo Rabarimanana

    Voafidy ny fivoriambe tamin’izany ny Mpitandrina Elysée Andriamiandra

    Ny Voninahitra ho an’Andriamanitra Irery Ihany

    Amin’ny anaran’ny Komity ny tafo FPMA Toulouse

    HERY RAMAMONJISOA

    Filoha FPMA Toulouse

Sampana Miaradia-Hafatra avy amin’ny Filohan’ny Tafo Ivry

Fa aza manadino ny hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra” (Hebreo 13: 16).

                     Ho an’ny Mpitandrina sy ny Komitin’ny Tafo FPMA Grands Champs, Fihobiana, Melun, Cergy, Orleans, Port Royal Arago(NB : envoyé 1ŕ 1 )
       
                     Hampitomboina ho amintsika mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny    fiadanana avy amin’Andriamanitra, Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo!
                     Maneho fisaorana sy fankasitrahana anareo Tafo Rahavavy eto amin’ny Faritanintsika izahay tamin’ny fahatongavanareo, nanotrona sy nandray anjara ary nitrotro am-bavaka tamin’ny Fanasana anareo tamin’ny  DINER  CONCERT nifandrimbonan’ny SAMPANA VALO MIARADIA eto aminay ny Sabotsy 02 Jona 2007 lasa teo.
                    Tsaroana ny maha-iray antsika ao amin’ny Tompo na dia maro tokoa aza.
                     Ny Tompo anie hamaly ny fitiavana asehonareo izao , ho Voninahitry ny Anarany!
                    Tena sitrakay indrindra tokoa, raha misy Billets tsy nampiasaina, na fandraisan’anjara mbola tsy voaefa, ny hampitanareo izany aty aminay!
                     Mirary soa sy fitahiana avy amin’Ilay Niantso antsika izahay, ry Havana!
                     Hoy ny Mpitandrina sy ny Komity Tafo FPMA Ivry Famonjena
                     Ny Filoha, David Andriantseheno 

Sampana Miaradia-Hafatra avy amin’ny Filohan’ny Tafo Ivry

” Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’

         Andriamanitra “ ( Heb. 13 :16 )
        
        Ry KOMITIN’ny Fiangonana malala,
                                    Hampitomboina ho amintsika mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra, Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo!
                                    Tontosa sy lavorary tamin’ny anaran’ny Tompontsika ny SAMPANA MIARADIA 2007, izay naompantsika tamin’ny Lohahevitra voalaza etsy ambony.
                                    Misaotra ny Tompo Tsitoha, Tompon’ny Asa isika, ary misaotra antsika nitrotro am-bavaka rehetra miampy ireto Vahoakan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireto Commissions manaraka ireto:
        1°- Restauration: SVK sy SLK niampy ireo niandraikitra ny Fandrosoana Sakafo
        2°- Animation(Sono- Lumière- Repértoire) : SMZM niampy ireo Nihira, Nanentana, 
              Nivetso Tononkalo 
        4°- Décoration : SA niampy ny Fanaovana Insignes sy Fivarotana izany
        5°- Billetterie : Vaomiera SERASERA sy ny Biraon’ny Tafo
        6°- Vigilance sy Sécurité : SVM
        7°- Responsable Logistique: AMF sy ny STK
        Tsy hadino ny teo amin’ny Stand TSAKITSAKY izay anisan’ny vovonana niadian’ny lohany tokoa.
        Nisy indrindra koa ireo naniry ho tonga kanefa dia voatana noho ny andraikitra maro samy hafa.
        Tsaroana ny maha-iray antsika ao amin’ny Kristy. Hambara amintsika ny vokatr’izany
amin’ny Alahady ho avy izao ary ho vonona sahady isika ry Havana hanatsara ho amin’ny metimety kokoa hatrany ny ezaka efa vita sy izay mbola hokinasa!
        Mirary soa, hiadanam-pinaritra mandrakariva amin’ny fiheverana ny hampandrosoana
ny Fiangonantsika!
        Amin’ny anaran’ny Mpitandrina ny Tafo sy ny Fiangonana manontolo.
         Ny filoha, David Andriantseheno

Alahady 27 Mey 2007-Toriteny Pentekosta

                          Alahady 27 Mey 2007-Toriteny Pentekosta

Ny Anarana Malagasy ? Lava dia lava tokoa matetika. Satria nahoana ? Satria noho ny fitiavan’ireo Ray aman-dreny hanana ny soa. Ireo faniriana rehetra mba tian’ireo RAD ho tonga amin’ireo Zanany dia nataony tao amin’ny anarana avokoa. Fitiavana daholo no nahatonga izany.

Dia toy izany koa Andriamanitra ; nosalorany anarana sy endrika maro ny Fanahy Masina.

Manana anarana maro ny Fanahy Masina fa saingy ny « identité »-ny dia iray ihany: Andriamanitra telo izay iray : Andriamanaitra Ray-Andriamanitra Zanaka -Andriamanitra Fanahy.

Ireo anarana nomena ny Fanahy masina ao amin’ ny Baiboly:
1- ny FM dia mpampahery , mpampionona – (Asa 5:8)
2- ny FM dia Andriamanitra , Andriamanaitra Ray-Andriamanitra Zanaka -Andriamanitra Fanahy.
3- ny FM dia fanahin’i Kristy. (Romana 8:9)
4- ny FM dia Fanahin’ny Fahamarinana.-Npananatra (Jaona 16)

Ireo endriky FM:
1- Ny FM dia toy ny rano (Jaona 7). Loharano miboiboika milaza hetaheta ,mangetaheta ny fahamarinana. 90 % n’ny tenantsika dia rano avokoa. Ny rano noho izany dia Aina. Ny FM dia manadio , manadio ny olona eo anatrehan’Andriamanitra.

2- Ny FM dia toy ny afo.
    a-Jesoa dia efa nanao Batisa antsika tamin’ny Afo (Matio 3).

    b-Ny fiainan’ny Kristiana manaradia ny Tompo dia oharina tahaka ny volamena : harendrika amin’ny afo aloha (asiana varahina kely sy vainga simika) -kapokapohana-kikisana,kosehina,ary izay voa mangirana. Mivaivay tokoa mantsy ny fitsapana sy ny fakam-panahy rehetra miditra lalindalina amin’ny fanarahana an’i kristy ny olona iray.

    c-Ny afo ihany koa dia manome tsiro ny nahandro. Manome tsiro ny fiainana ny FM, ka manakana ny olona tsy hamoifo na hamono ny tenany.

     d-Ary ny toetra lehibe izay anana’ny Afo dia ny fanazavana sy ny fanafanany ny manodidina azy.Ny Kristiana koa dia tokony hanana fahadiovam-pitondrantena,fisainana. Ny kristiana dia tokony hanana fiainana mamirapiratra, mandeha amin’ny mazava mba ho modely.

3- Ny FM dia tahaka ny rivotra.(Jaona 3:8). Fa inona tokoa ny toetry ny rivotra ? :
a-Tsy hita maso , tsy azo tsapain-tanana : Tsy azo fehezina : «  Fa raha tarihin’ny Fanahy hianareo , dia tsy mba ambanin’ny lalàna. » (Galatiana 5)

b-Ny rivotra dia tsy misy lokony : Tsy manavakavaka, tsy miandany na amin’izatsy na zaroa.

c-Ny rivotra dia mampiaina : Ny kristiana tsy manana ny FM dia manana fiainana  asphixié , matroka lava ny fiainany. Manome tsiny lava ny hafa. Tsy mahay mandini-tena-Négatif foana-pessimiste.

4- Ary farany , ny FM dia tahaka ny voromailala (Jaona 1: 32 / Lioka 3)
     a- Ny voromailala dia mariky ny Fandriampahalemana. Ny olona feno ny fanahy masina dia olona tia fihavanana – tia namana – feno fiadanam-po (paix intérieure).

      b-Araka ny fantantsika ihany koa dia nandritra ny ady lehibe rehetra ( na dia teo aza ny fivoaran’ny teknolojia teo amin’ny fifandraisana ), dia nampiasaina foana ny voromailala hitondra hafatra , Lavitra ny dian’izy ireny matetika , mamakivaky ranomasina mihintsy aza indraindray, mifofo ny ainy ny bala sy ny voromahery , kanefa dia tongany soa aman-tsara ny hafatra. I Noa ihany koa dia naniraka ny voromailala hitady ny tany azo hifaharana (Genesisy 8: 10-11).

Ry kristiana havana , dia toy izany koa ny olona tarihin’ny FM , mijoro tsy mirona, mitondra ny hafatry ny tompo ka mampiely sy mampahafantatra ny filazan-tsara amin’ny olona rehetra mba ho voninahitr’Andriamanitra , Miroso hatrany amin’ny Fanaovana ny Asan’Andriamanitra na dia eo aza ny tsikera , fanakianana , fanomezan-tsiny,fingam-pingana , nyfanendrikendrehana.

Inona ary no ilana ny Fanahy Masina ? 

« Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia Angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany ».-JAONA 15
« fa ny fanahy masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo. »- LIOKA 12

Mpampahery-Mpampionona-Manome Saina-Manala tahotra , sns….Efa saika voalaza tetsy ambony avokoa ny ambangovangony mikasika ny hilana ny Fanahy Masina.

       a-Araka io andininy voalaza ao amin’ny Jaona io , FM na koa ny Fanahin’i Kristy dia ahafahan-tsika ihany koa mangataka izay zavatra irintsika amin’Andriamanitra na ara-nofo (materialy-fahasalamana) na ara-panahy. Tokony ho masina anefa isika raha tonga eo anatrehan’Andriamanitra hangataka. Ataon’ny Ray Amandreny ahoana tokoa moa no hanome mofo na hampisakafo ny Zanany raha mbola maloto mihosom-bovoka ny tananan’izany zanany izany.
Tsy maintsy sasana amin’ny FM aloha ny fahotan-tsika izay voa afaka miray latabatra amin’ny Tompo isika.

       b-Ny FM ihany koa no manoro antsika ny lalan-kizorantsika amin’ny fomba tsy takatry ny saintsika.

       c- « Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo. »-Asa 1

Ahoana no azahoana ny Fanahy Masina ?
1-Mino an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.
« Fa hoy Jesosy taminy:  Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny Mino . »-. MARKA 9
« Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay Mino ny anarany »-  JAONA 1
2-Miaiky heloka , miaiky fa mpanota isika.Mangataka famelana.
3-Mivavaka .Mamaky ny Baiboly isan’andro . Mandalina ny soratra masina ary mankato sy mampiatra izay voalaza ao amin’ny fiainana andavan’andro (mila fandajalanjana tsara anefa izany).

Hirariana fa hitondra soa ho antsika kristiana ity lahatsoratra toriteny ity.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie.

Amen.

S.T.K Ivry - Hafatra

” Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho , dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako “. (III Jaona 4 )

 

Izany teny izany ry havana no entinay Sampana Tanora Kristiana eto amin’ny Tafo Ivry Famonjena miarahaba ny fiangonana.

Ny Sampana Tanora Kristiana dia sampana iraisan’ny tanora eto amin’ny Fiangonana.

Miara miasa amin’ny Sampana velona rehetra eto amin’ny fiangonana ny STK ho fampandrosoana ny Asan ‘ Andriamanitra.

Vita soa aman-tsara iny ny fifidianana ireo birao vaovao eto amin’ny Sampana , ary tanteraka ihany koa ny Alahadin’ny STK ka dia isaorana ny Tompo izany.

Ankasitrahana noho izany ny finiavan’ireo tanora ato amin’ny Sampana ary hita tokoa fa tena mandray andraikitra izy ireo.

Fisaorana ihany koa no atolotra ireo STK avy amin’ny tafo rahavavy tonga nanotrona tamin’ny Alahadin’ny STK , ary indrindra koa ny Mpitandrina nitondra ny teny.

Ny Asan ‘ ny Sampana:

  1. -Mivory in-droa isam-bolana ny Sampana ( ny Asabotsy alohan’ny Fandraisana sy Tapa-bolana ao aoriana).Madritr’izany dia mianatra ny tenin’ny Soratra Masina ho vatsim-panahy, mianatra hira entina midera sy mankalaza, ary mifampizara vatsy na hoe “goûter”.
  2. -Manao asa fitadiavam-bola hanefana ireo adidy samihafa sy hanampiana ny saran-dalana amin’ny RNSTK (hatao any Lille ny 6-7-8 Jolay 2007 ho avy izao).
  3. -Manantanteraka anjara hira isaky ny alahady voalohany sy mandritra ireo fotoan-dehibe toy ny Paska, krismasy, Pentekosta. Ary mandray anjara koa amin’ny ” Veillé de Noël”.
  4. -Manao asa iarahana amin’ny STK faritany ho entina kifankafantaran’ireo mpikambana any amin’ny Tafo rahavavy ( ohatra ny STKaraoké).
  5. -Ny STK Ivry ihany koa dia manana solon-tena ao amin’ny Biraon’ny STK Nasionaly .

Ireo asa miandry:

  1. -Ny fanamafisana ny fampianarana ny Baiboly : fandalinana ireo “personnage biblique” , fandinihana ireo loha-hevitra maro mikasika ny tanora.

Eto ampamaranana dia manentana ireo tanora rehetra eto amin’ny Fiangonana mba hanatevin-daharana ny STK ho fampiroboroboana ny asan’Andriamanitra , ary manainga ihany koa ireo tanoran’ny Sampana mba handroso hatrany amin’ny Asan’ny Tompo.

Ny Tompo anie hanafy hery sy hitondra saina matsilo ho an’ireo birao vaovao.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie.

Ireo “DIAKONA”

Miarahaba anao Pasitera Jacky Randriambololona.

Misaotra anao manome fotoana ifanakalozana aminay Sampana Lehilahy Kristiana (SLK) eto Ivry Famonjena.

Tamin’ny alahady 29 aprily 2007 lasa teo no notakanana sy noraisin-tanana tetsy amin’ny Eglise Catholique Choisy le Roi (tsy lavitra ny toerana iangonantsika ankehitriny) ireo Diakona mandritry ny roa taona ho avy eto amin’ny FPMA Tafo Ivry Famonjena. Feno ny fiangonana.

Inona marina moa Pasitera no antsoina hoe “Diakona” ?

Ny teny hoe Diakona dia nadika tamin’ny teny Grika  hoe “diakonos”, midika hoe “mpanompo”, mpanompon’ny fiangonana, mpikenonkenona, mpiadidy ny fandavorariana ny asa nifanarahana, ny raharaha iombonana.

(Mila vakina tsara ny Eks 18 : 13-26 sy ny Asa 6 : 1-7).

Ny ao amin’ny Eksôdôsy sy Asan’ny Apôstôly dia lehilahy avokoa no voalaza ao. Tsy midika anefa izany fa tokony ho lehilahy ihany no azo tendrena ho Diakona, satria i Paoly apôstôly dia nanonona vehivavy ao amin’ny Romana 16 : 1.

Vanim-potoana toy inona no niandohan’ny Diakona ?

Miainga amin’ireo andinin-tSoratra Masina roa eo ambony ireo isika, na dia tsy hita ao aza ny teny hoe “Diakona” dia tsara marihina fa ireo no efa napetrak’ireo teolojiana sy mpitondra fiangonana fahiny fa fototra ara-tSoratra Masina iankinan’ny antom-pisian’izany asa fanompoana ao amin’ny fiangonana izany. Noho izany dia tamin’ny vanim-potoana niainan’ny Mosesy (1250 taona talohan’i Jesoa Kristy) nitondra ny zanak’Israely nihazo ny tany Kanana no niandohan’ny Diakona (Eks 18 : 13-26). Efa nisy araka izany ny Diakona tlohan’ny nahatongavan’i Kristy.

Misy karazan’olona ve voalazan’ny testamenta taloha manao asa mitovitovy amin’ny Diakona ?

Mbola miverina ihany isika amin’ny Eks 18 : 13-26, izay milaza fa nanendry lehilahy maromaro Mosesy hiara-miasa aminy amin’ny fanatantererahana ny raharaha eo amin’ny fitondrana ireo vahoakan’Andriamanitra. Mihazo amin’ny ohabolana Malagasy izany manao hoe “Ny tao-trano tsy efan’irery” ary ny “entan-jarai-mora zaka”. Ary raha jerena ireo fanekena ataon’ny Diakona dia voalaza ao fa “ho naman’ny Mpitandrina” izireo, mpiara-miasa amin’ny Mpitandrina.

Inona marina no tena andraikitry ny Diakona eo amin’ny sahan’ny Fiangonana ?

Maro dia maro tokoa ny andraikitr’ireo Diakona ao amin’ny Fiangonana; aleo angaha izay tena mavesa-danja indrindra  no tanisaina eto :

  • Miantoka izay hahalavorary ny filaminana eo amin’ny Fiangonana.
  • Mitaiza ny fo amam-panahin’ny olona ary mikatsaka izay hampandroso ny Tenin’Andriamanitra.
  • Mampiharihary ny hasoan’ny fiaraha-miasa (Mpitandrina, Diakona, Sampana, Mpandray, tsy Mpandray, tanora, zaza).
  • Mpiara-miasa amin’ny Mpitandrina (Fanatazan-drakitra, Fizarana ny mofo sy divay amin’ny Fanasan’ny Tompo, Batisa, mariazy, fandevenana, programa, fandiniham-bola sy fitantanana ny fananan’ny Fiangonana, fifandraisana sns…)

Iza no afaka manao ny asan’ny Diakona ?

Mifototra mandrakariva amin’ny Soratra Masina isika dia tokony hovakintsika ny voalaza ao amin’ny :

  • Eks 18 : 21
  • Asa 6 : 3
  • I Timoty 3 : 8-13

Raha izay ny mikasika ny Soratra Masina, ny Fitsipika anatiny ny FPMA kosa dia mametra fa tokony ho feno 18 taona sy efa ho Mpandray ny fanasan’ny Tompo ny olona afaka manao ny asan’ny Diakona.

Inona no mahasamihafa ny Diakona sy ny Loholona (Ancien) eo amin’ny Fiangonana ?

Tsara raha toa ka omena ihany aloha ny antsoina hoe “Loholona”, tsy ilay “Zokiolona” araka ny noheverantsika Malagasy azy izy io, na ireo Diakona tsy lany sady efa misotro ronono. Ny Soratra Masina dia milaza fa ny “Loholona” dia ireo Mpitondra Fiangonana (Presbytera hoy ny Asa 20 : 17; Episkopo hoy ny Asa 20 : 28). Jereo ihany koa Titosy 1 : 5,7.

Raha ny Fiangonana Kristiana voalohany dia niorina tanteraka tamin’ireo fitondran’ireo Loholna ireo “Gouvernement collégial des Anciens”.

Ny asa niandraiketan’izireo dia :

  • Ny fitaizam-pinoana.
  • Ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana.
  • Ny asa fiantrana sy famangiana.
  • Mpitarika (Guide, Conducteur).
  • Mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra (Mpiandry ondry).

Inona no andrasanao amin’ireo Diakona eto amin’ny fiangonantsika ?

Nisy fanekena notonon’izireo teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana, noho izany dia tokony hotanterahan’izireo sy hiainanay mandritra ny androm-panompoany izany.

Manampy kely fotsiny anefa aho, izay tanjona tokony ho tanana izay iarahako miasa amin’izireo dia ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Asa 6 : 7 “Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra”.

Ho voninahitr’Andriamanitra !

Dia misaotra indrindra Pasitera.

Mirary fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny Diakona sy ny Mpitandrina ary ny Birao izahay SLK ho samy eo ambany fahasoavan’Andriamnitra hatrany hampandroso an’Ivry Famonjena sy ny Mpiangona ao aminy.

Tafiditra ho Mpikambana feno ao amin’ny FPF ny FPMA

Alahady 1 Apr 2007, 

Ho an’ny Filohan’ny Tafo 34 FPMA,
Ho an’ny Filohan’ny faritany 6 FPMA,
Ho an’ny Mpitandrina sy mpiandraikitra ambaratonga rehetra FPMA
(Fiaraha-mivavaka, sampana iraisina, Tafo, Faritany, vaomiera,…)

Ho an’ny vahoaka FPMA,

« Misaora an’i Jehovah Ry fanahiko!».
(Salamo)
Ry Havana,

Amim-pifaliana LEHIBE sy fo feno fankasitrahana an’Andriamanitra ni ilazana aminareo fa,
  • Rehefa nivory omaly Asabotsy 31 Martsa 2007 sy androany Alahady 1 Aprily 2007 ny Fivoriambe - Assemblée Générale Fédération Protestante de France (FPF) tao Paris Dia nanapaka tamin’ny latsa-bato miafina koa manambara fa isan’ny MPIKAMBANA FENO ny FPF (MEMBRE A PART ENIERE DE LA FEDERATION PROTESTANTE DE FRANCE) ny FPMA manomboka ankehitriny
  • Raha mpikambana mpiara-miasa (membre associé) ny FPF ny FPMA efa amam-polotaonany maro izao, dia voaray mpikambana feno kosa ankehitriny (membre à part entière)
  • Nampitsanganina ny solontena roa FPMA, dia, Pastera Synodaly jean RAVALITERA Filohan’ny FPMA sy ny tenanay Jean-Solo RAFIDINARIVO Filoha Mpanampy FPMA koa nomena ny teny fiarahabana feno filafaliana avy amin’ny filoha sy mpivory rehetra koa indro ampitaina aminareo FPMA manontolo! 
  • Dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny FPMA izao koa ny voalohan-teny dia “Misaotra an’Andriamanitra” fa “miasa foana ny mpanao trano raha tsy Jehovah no manao azy”
  • Raha nomen’Andriamanitra fahasoavana manokana ny FPMA koa efa mpikambana feno ARM (Alliance Réformée Mondiale) sy LWF (Fédération Luthérienne Mondiale) ary KEK taona maro izao, dia indro tonga fitahiana indray, koa tafiditra mpikambana feno FPF (Fédération Protestante de France).
  • Ho fiarahantsika rehetra tsy ankanavaka hisaotra an’Andriamanitra, dia manasa ny rehetra hanatrika ny fanompoampivavahana Lehibe hankalazana ny anarany noho izao vaovao lehibe izao, ny alahady 15 Aprily (Région Parisienne)
  • Dieny izao, dia mangataka ny ambaratonga rehetra indrindra tafo 34  FPMA, hizara malalaka izao vaovao izao, hamaky izany amin’ny raharaham-piangonana, ary hanandratra vavaka fisaorana amin’ny fanompoampivavahana manaraka rehetra eny amin’ny tafo 34 FPMA.
Voninahitra ho an’Andriamanitra,

Jean-Solo RAFIDINARIVO
Filoha Mpanampy FPMA

Toriteny Alahady 18 Marsa 2007 (Famintinana)

Testamenta taloha: Josoa 5 : 10-12

Epistily : II Korontiana 5:17-21 “Koa raha misy olona ao amin’ny Kristy; dia olom-baovao izy,efa lasa ny zavatra taloha.

Filazantsara : Lioka 15:1-3 sy 11-32

 

Ny nanirahan’Andriamanitra an’i Jona hankany Ninive, sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany.

Isika dia efa nofidin’Andriamanitra amin’ny androntsika rehetra hitory ny filazantsara sy hanao ny asan’Andriamanitra.

Misy anefa ireo izay mandà izany antson’Andriamanitra izany.Mandà ny hanantanteraka ny Asan’Andriamanitara

 

Ny fiangonana (na koa ny tokantrano iray)eto dia hoarina tahaka ny sambo atopatopan’ny onjan-dranomasina (ireo hevitra samihafa-ny fiainana andavan’andro). Ireo tantsambo (na koa ny Ray amanadreny sy ny zanaka) dia isika izay manana andraikitra isan-tsokajiny avy .

Raha tonga ny tafio-drivotra ka misamboaravoara mafy (tsy fitovian-kevitra -na koa olana ao antokan-trano:tsy fahitan’asa , stress….)izany ranomasina izany , ireo tantsambo mahery fo dia mandray ny andraikiny avy hatrany, miray hina, sy mifanohana izy ireo. Mety ho maro ireo tantsambo haratra (tafintohina-kivy-misy manakiana )noho ny fanantanterahany ny asany , nefa eo ny Kapiteny hampahery azy (Jesoa-Ny Fanahy masina -ny tenin’Andriaamanitra) .

 

Mila mandini-tena isika mpanompon’Andriamanitra , ary koa mila mahay mandanjalanja .

.

 

Misy amin’ireo tantsambo izay tena maty hanina tokoa , tena mazoto manantanteraka ny andraikiny saingy tsy mihaino ny baikon’ny kapiteny (tahaka ireo kristiana tsy azo anarina).Dia hilentika ihany ny Sambo raha izany. Satria ny fahotantsika no manalavitra antsika amin’Andriamanitra (Jeremia). Ny Fahotana dia ny tsy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra.

 

Vesatra ho an’ny Sambo ve ny tantsambo tsy mahatanteraka ny asany ka tokony ho atsipy any ivelan’ny Sambo tahaka ny nahazo an’i Jona. ?

 

Ny hazo fijaliana no fampihavanana amin’Andriamanitra , fampihavanana ny tany sy ny Lanitra: “Koa raha misy olona ao amin’ny Kristy; dia olom-baovao izy,efa lasa ny zavatra taloha.”

“MITSAHARA” ihany koa hoy Jesosy raha nibaiko ny ranomasina izy.

Tsy mitana lolom-po amintsika Andriamanitra raha tena mibebaka tokoa isika, ary vonona hiova tena , fo sy fanahy. Isika koa dia tokony hifamela heloka , tsy misy ny famelan-keloka anefa raha tsy miresaka amin-pahatoniana (andramo anie fa tena mety).

 

Olom-baovao manao ahoana moa ?

Voahajanao ve ny didy folo ? (Eksodosy 20) na iray na roa ihany aza ?

Ny olom-baovao dia tia fihavanana, malemy fanahy,Tia mamaky sy mampihatra ary mankatoa ny tenin’Andriamanitra , tsy tia tena.

Ny olombaovao dia manaiky ny fanavaozana ny saina.

Ny olom-baovao dia mahay mitantana tsara ny fitaovana eo ampelatanany: ny fitaovana sy ny volam-piangonana (Sampana) dia tokony hampandrosoana ny Asan’Andriamanitra.