Archive pour mar  

Toriteny Alahady 18 Marsa 2007 (Famintinana)

Testamenta taloha: Josoa 5 : 10-12

Epistily : II Korontiana 5:17-21 “Koa raha misy olona ao amin’ny Kristy; dia olom-baovao izy,efa lasa ny zavatra taloha.

Filazantsara : Lioka 15:1-3 sy 11-32

 

Ny nanirahan’Andriamanitra an’i Jona hankany Ninive, sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany.

Isika dia efa nofidin’Andriamanitra amin’ny androntsika rehetra hitory ny filazantsara sy hanao ny asan’Andriamanitra.

Misy anefa ireo izay mandà izany antson’Andriamanitra izany.Mandà ny hanantanteraka ny Asan’Andriamanitara

 

Ny fiangonana (na koa ny tokantrano iray)eto dia hoarina tahaka ny sambo atopatopan’ny onjan-dranomasina (ireo hevitra samihafa-ny fiainana andavan’andro). Ireo tantsambo (na koa ny Ray amanadreny sy ny zanaka) dia isika izay manana andraikitra isan-tsokajiny avy .

Raha tonga ny tafio-drivotra ka misamboaravoara mafy (tsy fitovian-kevitra -na koa olana ao antokan-trano:tsy fahitan’asa , stress….)izany ranomasina izany , ireo tantsambo mahery fo dia mandray ny andraikiny avy hatrany, miray hina, sy mifanohana izy ireo. Mety ho maro ireo tantsambo haratra (tafintohina-kivy-misy manakiana )noho ny fanantanterahany ny asany , nefa eo ny Kapiteny hampahery azy (Jesoa-Ny Fanahy masina -ny tenin’Andriaamanitra) .

 

Mila mandini-tena isika mpanompon’Andriamanitra , ary koa mila mahay mandanjalanja .

.

 

Misy amin’ireo tantsambo izay tena maty hanina tokoa , tena mazoto manantanteraka ny andraikiny saingy tsy mihaino ny baikon’ny kapiteny (tahaka ireo kristiana tsy azo anarina).Dia hilentika ihany ny Sambo raha izany. Satria ny fahotantsika no manalavitra antsika amin’Andriamanitra (Jeremia). Ny Fahotana dia ny tsy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra.

 

Vesatra ho an’ny Sambo ve ny tantsambo tsy mahatanteraka ny asany ka tokony ho atsipy any ivelan’ny Sambo tahaka ny nahazo an’i Jona. ?

 

Ny hazo fijaliana no fampihavanana amin’Andriamanitra , fampihavanana ny tany sy ny Lanitra: “Koa raha misy olona ao amin’ny Kristy; dia olom-baovao izy,efa lasa ny zavatra taloha.”

“MITSAHARA” ihany koa hoy Jesosy raha nibaiko ny ranomasina izy.

Tsy mitana lolom-po amintsika Andriamanitra raha tena mibebaka tokoa isika, ary vonona hiova tena , fo sy fanahy. Isika koa dia tokony hifamela heloka , tsy misy ny famelan-keloka anefa raha tsy miresaka amin-pahatoniana (andramo anie fa tena mety).

 

Olom-baovao manao ahoana moa ?

Voahajanao ve ny didy folo ? (Eksodosy 20) na iray na roa ihany aza ?

Ny olom-baovao dia tia fihavanana, malemy fanahy,Tia mamaky sy mampihatra ary mankatoa ny tenin’Andriamanitra , tsy tia tena.

Ny olombaovao dia manaiky ny fanavaozana ny saina.

Ny olom-baovao dia mahay mitantana tsara ny fitaovana eo ampelatanany: ny fitaovana sy ny volam-piangonana (Sampana) dia tokony hampandrosoana ny Asan’Andriamanitra.

 

 

 

   C A L E N D R I E R   F P M A   I V R Y  F A M O N J E N A

                                                           A N N E E 2 0 0 7  

                    DATY- ANDRO- ANTONY- MITARIKA- FANAMARINANA

07/01/2007 Dimanche 15 h : - culte de Nouvel An + Ste Cène Past. Jacky Randriambololona Pot de Nouvel An

14/01/2007 Dimanche 15 h : - culte + formation Bureaux Sections - Réunion Bureau Paroissial - Asa sy Fampaherezana Past. Jacky Randriambololona Misy Culte TAOM-BAOVAO FAFATS,

21/01/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Réunion Comité Paroissial Past. Jacky Randriambololona

28/01/2007 Dimanche 15 h : - Culte (SVK) + Ankatoka S V K

* 04/02/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Ste Cène + Fankatoavana ny ALIMANAKA 2007 Past. Jacky Randriambololona Séance de Prière Election

10/02/2007 Samedi 10 h : SYNODE REGIONAL FAFATS FAFATS 47, rue de Clichy - Paris

* 11/02/2007 Dimanche 14 h : - Culte + ELECTION Past. Jacky Randriambololona

* 18/02/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Asa sy Fampaherezana Past. Jacky Randriambololona

25/02/2007 Dimanche 15 h : - Culte (SVM) + Ankatoka S V M

04/03/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Ste Cène Past. Jacky Randriambololona

11/03/2007 Dimanche 14 h : - Formation Bureaus Sections —-15 h : - Culte + Asa sy Fampaherezana - Réunion Bureau Paroissial Past. Jacky Randriambololona

18/03/2007 Dimanche 15 h :- Culte + Réunion Comité Paroissial Past. Jacky Randriambololona

25/03/2007 Dimanche 15 h : - Culte (STK) + Ankatoka S T K

31/03/2007 Samedi G A LA E V A N G E L I Q U E FPMA IVRY FAMONJENA SA - STK - AMF - SVK - SF - SMZM

01/04/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Ste Cène + Réunion Bureau Paroissial Past. Jacky Randriambololona

05/04/2007 Jeudi 20 h : - Semaine Sainte FPMA IVRY FAMONJENA Past. Jacky Randriambololona

06/04/2007 Vendredi 20 h : - Semaine Sainte ERF / FPMA IVRY FAMONJENA Past. Jacky Randriambololona/ERF

08/04/2007 Dimanche 15 h : - P A Q U E S - Ste Cène Past. Jacky Randriambololona * ERF / TFIF Excursion lundi de Pâques ???

15/04/2007 Dimanche 14 h : - Formation Bureaux Sections 15 h : - Culte + Asa sy Fampaherezana + Réunion Bureau Paroissial Past. Jacky Randriambololona

21/04/2007 Samedi ZAIKABE FAFATS ( FPMA ARAGO) ZAIKABE FAFATS (FPMA ARAGO)

* 22/04/2007 Dimanche ZAIKABE FAFATS (FPMA ARAGO) ZAIKABE FAFATS ZAIKABE FAFATS

29/04/2007 Dimanche 15 h : - Culte (SA) + Ankatoka S A

* 06/05/2007 Dimanche 15 h : Culte + Consécration des DIACRES Past. Jacky Randriambololona

* 13/05/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Asa sy Fampaherezana - Election Bureau Paroissial Past. Jacky Randriambololona

20/05/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Réunion Comité Paroissial - Présentation des Catéchumènes Past. Jacky Randriambololona

27/05/2007 Dimanche 15 h : - PENTECOTE - Ste Cène - Confirmation des Catéchumènes Past. Jacky Randriambololona Excursion lundi de Pentecote ???

03/06/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Ste Cène Past. Jacky Randriambololona

09/06/2007 Samedi 19 h : SAMPANA MIARADIA FPMA IVRY FAMONJENA

10/06/2007 Dimanche 14 h : - Formation Bureaux Sections 15 h : - Culte + Réunion Bureau + Asa sy Fampaherezana Past. Jacky Randriambololona

17/06/2007 Dimanche 15 h : Culte + Réunion Comité Paroissial Past. Jacky Randriambololona

24/06/2007 Dimanche 15 h : - Culte (SF) + Ankatoka S F

01/07/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Ste Cène Past. Jacky Randriambololona

08/07/2007 Dimanche 15 h : - Culte de fermeture Past. Jacky Randriambololona Pot de fin d’année scolaire 06/07

02/09/2007 Dimanche 15 h : - Culte de la Rentrée Past. Jacky Randriambololona

*Sainte Cène

09/09/2007 Dimanche 14 h : - Formation Bureaux Sections 15 h : - Culte + Réunion Bureau Paroissial + Asa sy Fampaherezana Past. Jacky Randriambololona

16/09/2007 Dimanche 15 h : Culte + Réunion Comité Paroissial Past. Jacky Randriambololona

23/09/2007 Dimanche 15 h : Culte (AMF) A M F

30/09/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Ankatoka Past. Jacky Randriambololona

06/10/2007 Samedi V O K A D E H I B E V O K A D E H I B E V O K A D E H I B E

07/10/2007 Dimanche V O K A D E H I B E V O K A D E H I B E V O K A D E H I B E

14/10/2007 Dimanche 14 h : - Formation Bureaux Sections 15 h : - Culte + Réunion Bureau Paroissial + Asa sy Fampaherezana Past. Jacky Randriambololona

21/10/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Réunion Comité Paroissial Past. Jacky Randriambololona

28/10/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Ankatoka Past. Jacky Randriambololona

04/11/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Sainte Cène Past . Jacky Randriambololona

11/11/2007 Dimanche 14 h : - Formation Bureaux Sections 15 h : - Culte + Asa sy Fampaherezana - Réunion Bureau Paroissial Past. Jacky Randriambololona

18/11/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Réunion Comité Paroissial Past. Jacky Randriambololona

25/11/2007 Dimanche 15 h : - Culte (SMZM) + Ankatoka S M Z M

02/12/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Alahadin’ny Mpitandrina + Ste Cène Past. Jacky Randriambololona

09/12/2007 Dimanche 14 h : - Formation Bureaux Sections 15 h : - Culte + Asa sy Fampaherezana - - Réunion Bureau Paroissial Past. Jacky Randriambololona

16/12/2007 Dimanche 15 h : - Culte + Réunion Comité Paroissial Past. Jacky Randriambololona

23/12/2007 Dimanche 15 h : - Culte (SLK) S L K

24/12/2007 Lundi 23 h30 : Veuillée de Noêl ERF/FPMA IVRY ERF / FPMA IVRY

25/12/2007 Mardi 15 h : - NOEL + ARBRE DE NOEL (SA) Past. Jacky Randriambololona Jeux - jouets - bonbons …….

30/12/2007 Dimanche 15 h : - Culte de fin d’Année + Ankatoka Past. Jacky Randriambololona

                                                            FANAVAOZANA NY SITE FPMA

Alakamisy 25 Janoary 2007,

Ho an’ny Filohan’ny Tafo 34 FPMA,

Ho an’ny Filohan’ny faritany 6 FPMA,

Ho an’ny Mpitandrina sy mpiandraikitra ambaratonga rehetra FPMA,

(Fiaraha-mivavaka, sampana iraisana, Tafo, Faritany,…)

Ho an’ny vahoaka FPMA tratr’antso rehetra

Ry Havana,

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’ny Tompo JESOA KRISTY koa mampita aminareo,

• Indro nohavaozina ny takila FPMA (url FPMA) koa niova natsaraina toy izao ny adiresy:

http://www.fpma.net

• Na dia mbola eo am-panohizana ny fanatsarana hatrany aza ny ekipa fifandraisana (communication) FPMA dia Manainga ny rehetra sahady hitsidika matetika ny takila

• Maro dia maro ireo vaovao, anarana rafitra sy hetsika manokana hita ao, tsy adino ireo lalana mankany @ ireo takilan’ny tafo fpma sy faritany fpma ary sampana fpma manana takila manokana (url azy)

• Misy amin’ny teny MALAGASY, FRANTSAY ary an-dalana ny fanamboarana ny teny ANGLISY

• Ohatra vaovao hita ao:

o fanompoampivavahana nasionaly FPMA 27 Jan 2007 ao Paris handraisan-tanana ny fiarahamivavaka FPMA vaovao, Mpiasa vaovao tinendrin’ny synoda Nov 2006, ireo andiany voalohany mpianatra sekolin’ny mpitoriteny

o Ny “calendrier FPMA” (jereo ny pejy “vaovao 4 Jan 2007″ izay hiova hoe “calendrier”) misy ny hetsika FPMA rehetra mandritra ny roa taona 2006 - 2008

o Ny anaran’ireo mpkambana Birao Foibe FPMA

o Tabliao sy anarana Interface Birao Foibe % Sampana Iraisana

o Fihaonam-be samihafa 2007 sampana iraisana FPMA

o Litorjia FPMA

o Takila web Tafo rehetra manana takila (url) rehetra

o Jereo ho avy tsy ho ela ao ny vaovao soritrasam-piangonana

o sns sns…

• Toy ny mahazatra, Ny vaovao rehetra tiana apetraka amin’ny pejy dia dingana 1) alefa aty amin’ny tenako (responsable contenu - interface BF) koa - dingana II) ho apetraky ny tompon’andraikitra (web master) rehefa voasoratra sy nahazo alalana avy tao @ dingana I. Tsy azo apetraka izay tsy nandalo ireo dingana roa ireo. Raisina an-tanadroa ny vaovao rehetra na Tafo na Faritany na Nasionaly sampana iraisana, sampandraharaha sns rehefa nandalo ireo dingana ireo

• Manainga ny ambaratonga rehetra (Tafo faritany sampana iraisana, fiaraha-mivavaka, sampandraharaha, sns…) tsy hihahotra handefa ny vaovao rehetra azo alefa koa azo apetraka @ takila FPMA

• Manasa ny ambaratonga rehetra hanavao ny “en tête FPMA” rehetra sy tratasy fifandraisana rehetra tsy hampiasa intsony hafa tsy ny adiresy http://www.fpma.net

• Manasa ny Tafo faritany sy ambaratonga rehetra manana takila internet (page web et url) a) hanome ny adiresin’ny takila (url) aty amin’ny tenako mba hapetraka @ takila FPMA ary b) hametraka ny adiresy http://www.fpma.net amin’ny takila rehetra eny @ ambaratinga samihafa.

Voninahitra ho an’Andriamanitra,

Jean-Solo RAFIDINARIVO

Filoha Mpanampy - FPMA

                            

PROJET D’EGLISE

Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy

                       Eglise Protestante Malgache en France

« Communion en mission pour la guérison du monde et pour partager la vie en plénitude »

PROJET D’EGLISE 2007

Le 31ème synode à Orléans qui s’est tenu les 10-11 et 12 Novembre 2006 a décidé les points suivants :

 Durant les trois prochaines années (2007-2008-2009), les activités du projet d’Eglise seront effectuées au niveau régional et local.

 De plus, l’activité nationale est maintenue.

Les trois thèmes des conférences nationales de ces trois dernières années seront repris au niveau régional. Les sujets seront choisis et approfondis parmi ceux déjà étudiés.

ACTIVITES POUR L’ANNEE 2007

Le comité de projet propose les activités et les thèmes suivants pour l’année 2007 :

1. Au niveau régional (premier trimestre 2007)

Les sujets à traiter au niveau régional pendant le premier trimestre 2007:

• Présentation du projet d’Eglise

• Le défi de la FPMA en vue d’une communion en mission

• La relation d’aide et l’accompagnement dans l’Evangile selon Jean.

• Perte des sens, autonomie et jugement moral dans l’éthique d’une communion en mission.

• Articulation entre initiation, éducation et enseignement en catéchèse

• La catéchèse de Dieu dans le christianisme primitif du Nouveau Testament

• Pastorale des jeunes et initiation à la vie spirituelle

• Un aperçu de la catéchèse de toute la communauté

• Mettre la famille au centre de la catéchèse

Chaque sujet traité doit être suivi par un atelier.

Chaque région détermine son calendrier de formation. Le comité de projet est à leur disposition pour l’établissement du programme et le choix des conférenciers.

2. Au niveau local (deuxième trimestre 2007)

• Communion en mission pour la guérison du monde

• Les forces vives de la FPMA face à la communion en mission

• Jésus-Christ : une vie en plénitude pour la famille

• L’ecclésiologie d’une “communion en mission” dans une société multi-religieuse et laïque

• L’éthique et la mission dans la lettre aux sept églises

• Les dix commandements et l’éthique d’une communion en mission

• La parabole du bon Samaritain

• Transmission de la foi chrétienne aux enfants : une initiation?

• L’enfant et sa relation d’aide à Dieu

• La liturgie : lieu d’initiation à la foi

Chaque sujet traité doit être suivi par un atelier

Chaque église locale organise des camps ou retraites pour traiter les différents sujets pendant le second trimestre.

3. Au niveau national

Les programmes et dates au niveau national seront définis au prochain Comité Exécutif.

 

 

 

 

                                                     

Ny Sampana Vehivavy Kristiana ao Ivry Famonjena

Amin’ny anaran’ny Sampana Vehivavy Kristiana eto amin’ny Tafo Ivry Famonjena , na antsoina amin’ny fanafoizan’teny koa hoe : SVK , no hisoloako vava eto.

Miarahaba anareo ihany koa tratry ny taona vaovao 2007. Fotoana ihany koa ho an’ny Sampana Vehivavy eto an-toerana , koa dia mahafaly ahy ny manolotra anareo fanazavana tsotsotra mikasika an’ity hoe SVK ity. Fototra iray ihany no hipoiran’ny sampana rehetra ao anatin’ny Fiangonana . Dia ny Fiangonana izany no fototra ary manome Sampana maro. Ka ao anatin’izany ny Sampana Vehivavy izay nomena toerana amin’ny maha izy azy. Fikambanamben ‘ny vehivavy rehetra tsy misy avakavaka ary manana anjara asa araky ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tompo. Izay ny mikasika ny amin’ny Sampana Vehivavy. Tsy najanona hatreo fa notohizana, nofehezina amin’ny teny hoe Kristiana, ka manome hoe :SAMPANA VEHIVAVY KRISTIANA, tapak’anaran’i Kristy io ,mitondra ny anaran’i Kristy ilay Sampana. Noho izany dia TITRA ambony faratampony ,fa tsy titra nangonina nalaina tetsy sy teroa, na koa titra nalaina tany amin’ny “domaine”, na galona nindramina, fa titra anarana masina.

INONA KOSA ARY NY ANDRAIKITRY NY SVK ?

Raha mametraka fanontaniana momba ny Sampana Chorale: mihira izy ao . Ao amin’ny Sampana Sekoly Alahady: mampianatra ny tenin’ny Soratra masina izy ao . Ao amin’ny Sampana Mozika : mitendry izy ao. Ao amin’ny Sampana Fifohazana: mivavaka ho an’ny tsirairay, mametra-tanana. Ao amin’ny Sampana Mpifady Toaka:mitarika ny olona hifady.

Izany hoe ny Sampana tsirairay dia manana ny asany avokoa.

 Fa inona kosa ny Asan’ny SVK ? Jereo anefa, fa ao anatin’ny Sampana rehetra dia misy SVK avokoa. Manana ny soritr’asany anefa ny SVK: ny asam-piangonana rehetra ,misy ny adidy sy ny andraikitra lehibe amin’ny maha-renim-pianakaviana azy, eo anivon’ny tanora sy ny ankizy , indrindra ny asa sosialy. Maro dia maro karazana anefa ity asa sosialy ity. Noho izany , raha tsy mitoetra ilay fiombonana, firaisam-panahy sy ara-tsaina, sarotra ny fanantanterahana izany. Ny Kristiana rehetra eran-tany dia efa nandray ilay Fanekena, ny Fiombonan’ny Olona masina, ny Firaisan-kina, ny fiombonan’ny Mpino rehetra ; ary ny fitsanganan’izany fiombonana masina izany toy ny SVK dia tahaka ny mamoha ny olona izay tsy mahatsiaro na manadino ilay Fiombonana. Koa rehefa ao anatin’izany Fiombonana Kristiana izany dia tsarovy fa mijoro ho vavolombelon’i Kristy satria mitondra ny anarany ianao.

VAOVAON’NY SAMPANA:

Atsy ho atsy, dia hisy ny fanavaozana ny Birao hitondra ny SVK mandritry ny roa taona manaraka, koa mihomana isika rehetra ny amin’izany. Ho an’izay efa ao dia tsara ny fanohizana ny Asa, fa tsaratsara kokoa ny hizarana azy ireny amin’ny hafa. Misy mangetaheta ao , nefa ao ilay tsy fahasahiana, mety koa menatra, nefa mijoroa, sahia, azahoanao manantanteraka ilay hetahetanao mba ho isan’ireo izay mivimbina ilay anarana masina ianao. Ny 12 sy 13 May 2007, no ho tanterahina ny ZAIKABE NASIONALY SVK .; ka isika ato anatin’ny Faritany Afovoany no handray ireo vahiny avy amin’ny lafivalon’ny Frantsa miampy ny avy any La Réunion, ary manana anjara lehibe amin’izany isika SVK eto amin’ny Tafo Ivry Famonjena. Ny fanohanan’ny Fiangonana dia mitondra hery lehibe ho an ‘ ny Sampana. Misy ny Tee-shirt izay amidy, ary ny vidin’izany dia entina hikarakarana ny Zaikabe nasionaly. Dia ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra , Tompon’ny Hery sy ny fahefana rehetra. Koa dia apetrak’isika eo Aminy izany rehetra izany.

RASOLONDRALAVIDRAZANA Geneviève

 Filohan’ny SVK-FPMA Ivry Famonjena

FANTATRAO VE NY ATAO HOE “FIFOHAZANA” ?

Raha ara-drafitra dia Sampana mitovy amin’ny Sampana rehetra eo amin’ny Fiangonana ny Fifohazana. Ny tsy azo lavina anefa dia fisehon-javatra (évènement) anankiray maningana anatin’ny tantaran’ny Fiangonana tao Madagasikara ny Fifohazana.

Raha araka ny tantara dia tany Soatanana, tànana andrefan’ny Fianarantsoa (51 km) no nihandohan’ny Fifohazana.

Ny Nahatongavan’ny Filazantsara tany Soatanàna :

  fifohazana-dada-rainisoalambo.JPG     fifohazana-trano-firaketana-ao-soatanana-fandraisana-nyvokatra.JPG

1- Teo Antananarivo no efa nandray ny Filazantsara tamin’ny alalan’ny L.M.S. 1818. Ireo miaramila manam-boninahitra notendrena tany Fianarantsoa no nitondra ny Filazantsara tany.

2- Noho ny fanenjehana ihany koa nataon-dRanavalona I (1828-1861) dia maro ireo Kristiana nandositra niala an-Antananarivo koa niparitaka nandeha tany atsimo .

3- Ny L.M.S. (London Missionary Society) niorina tany Angletera tamin’ny taona 1795 no nitondra ny Filazantsara teto M/kara, ary nidina tany Fianarantsoa tamin’ny taona 1870. Misionera M.Richardson no niasa tao.

Ny toe-javatra nitranga – Very hevitra ny vahoakan’Andriamanitra :

1-Ny asan-dahalo : fangalarana omby sy ny fandroban’ireo dahalo ny fananan’ny vahoaka.

2- Ny areti-mandringana :tazo, namoizana aina’olona maro.

3- Ny menalamba: manenjika ny fivavahana Kristiana satria nentin’ireo Vazaha ary mamporisika ny olona hiverina amin’ny fanompon-tsampy.

Tao anatin’izany no vanim-potoana niaianan’Ingahy RAINISOALAMBO Razaimbola izay niandohan’ny Fifohazana tao Madagasikara.

RAINISOALAMBO dia nantsoina hoe Marambasia :

Olona voatokana mahazo mifampikasoka amin’ny andriana. Mpanompo sampy. Mpanao sikidy. Mpilalao ody. Mpanandro. Mpikabary mahay.sns…. Olona liana zava-baovao,

koa izany no nahaliana azy ny fivavahana Kristiana.

Sady Marambasia izy, Mpanao sikidy no Kristiana Katekista (Solompotandrina) : izany hoe kristiana sadasada (Syncrétiste). Nivavaka amin’ny fomba ivelany hita maso fotsiny.

Teto dia narary mafy izy, tsy nandaitra taminy intsony ireo ody sns…, nahantra, efa namoy fo koa…kanefa toa mbola nisy fanantenana ihany tao anatiny . Ny Hira faha-28 “zanahary tsy mba tia ny fahaverezanao…” (Vakio) no tonga matetika teo ambavany.

 RAINISOALAMBO NIOVA FO .

Tao anatin’izany raho-mainty izany no nanandratra ny feony tamin’ Andriamanitra izy. Izao no vavaka nataony “Mba afaho re izaho Andriamanitra ô!” , tsotra sady fohy . Nahita tory soamantsara izy ny ny alin’iny na dia tao anatin’ny aretina mangirifiry aza ary nanofy izy : Andro nifohazany : 15 oktobra 1894 “Nahita olona nitafy lamba fotsy madio mangatsakatsaka nitsangana teo anoloany, nijery sady onena azy. ..Dia nandidy azy mba hialany amin’ny odiny sy ny sikidiny ilay olona niseho taminy”. Rehefa nifoha izy dia sitrana soamantsara. Teto dia resy lahatra RAINISOALAMBO. fa Jesoa Kristy no namaly ny vavaka nataony, niteny taminy ary nanasitrana azy. Tapaka tanteraka ny heviny fa hanary ireo ody, sampy ary ny sikidiny rehetra izy. Ary dia nataony izany. Nariany tany andava-piringa avokoa izany. Fifaliana no tao ampony satria sitrana izy, ara-nofo sy ara-panahy: Tanteraka ara-bakiteny teo aminy ny tenin’ Isaia Mpaminany “Nitondra ny aretintsika rehetra Izy, sady nivesatra ny fahotantsika” 53/7. Lasa olom-baovao: olona mifoha niova fo lasa mpanaradia an’I Jesoa Kristy, mandalina sy mankamamy ny Teniny manda ny asan’ny Devoly tamin’ireny sampy sy ody ireny. Izay ny hoe FIFOHAZANA araka ny niainan’Ingahy RAINISOALAMBO azy. Ary tsy nijanona teo izy fa nizara ny fahasoavana noraisiny, mba hovonjena toa azy koa ireo olona naira-belona taminy. Ao anatin’ny aretina sy ny fahamaizinan’ny fanompon-tsampy.

Dia nanomboka teo ny fanapariahana ny asa Fifohazana : Manatanteraka ny atao hoe “Asa sy Fampaherezana” ,amin’ny teny frantsay dia “Ministère de la déliverance”. Nantsoiny tamin’ny fibebahana aloha ny olona hiala amin’ny fahazaran-dratsy ka hitodika amin’ Andriamanitra velona ka handray fanasitranana avy amin’i Jesoa Mpamonjy.

Tao Soatanàna izany no Tobim-pifohazana voalohany. Rehefa nitatra izany dia teraka ihany koa ireo Toby hafa toy ny : Manolotrony Ambalavao Tsienim-parihy. Mbola ao Fianarantsoa. (1900) – Mpitarika Neny RAVELONJANAHARY. Vatotsara Betafo – Antananarivo (1927). Mpitarika Baba RAJAOFERA. Ankaramalaza – Fianarantsoa (1941). Mpitarika Nenilava Volahavana GERMAINE -Farihimena – antsirabe (1945) – Mpitarika Pasteur RAKOTOZANDRY Daniel. Lire la suite de cet article »

RANAVALONA II

RANAVALONA II (Ramoma)

 

Nanjaka tao Madagasikara ny 2 aprily 1868 ka hatramin’ny 13 jolay 1883.

Ranavalona I (Imavo), no tena be mpahalala noho izy nanjaka lava indrindra (33 taona, 1828 – 1861) ary sarotiny tokoa tamin’ny fanjakana nentiny. Anisan’izany ny fandroahana vahiny (ankoatran’Atoa Jean Laborde) sy ny fanenjehana nataony tamin’ny malagasy nanandratra ny fivavahana kristiana nanomboka ny taona 1835.

Izao ry ambanilanitra no tsy itiavako ny fivavahana hoy izy : « ny fanaon’ny razako no avela, fa ny fanaon’ny razan’olona no hatao » (nalaina tao amin’Ny Bokin-dRakotovao, pejy 18).Fa Ranavalona IIkosa dia niavaka indrindra tamin’ny fiovana goavana nataony izay mbola betsaka no tavela hatramin’izao taona  roa arivo izao :

1°- fandalana sy fanarahana ny fivavahana kristiana.

-         fankatoavana ny fivavahana kristiana teo amin’ny andrim-panjakana,

-         fandoroana ny sampy tao and-Rova

-         fanorenana ny fiangonana tranovato Anatirova teo ambany fitarihan’i William Pool (notokananana 08 aprily 1880) , izay miorina ao atsimon’ny rova.

-         betsaka ny fiangonana niorina tamin’izany no mankalaza ankehitriny ny faha 140 taona niorenany.

Ankehitriny dia mbola hita eo amin’ny Mpitondra ny fandalana ny fivavahana Kristianina

2°- tamin’ny androny no nivoahan’ny didin-dalana dimivento sy telonjato(Code des 305 articles) izay nandaminana ny fiainam-panjakana, indrindra ny raharaham-pitsarana. Fanorenana ny lapan’ny fitsarana ao Ambatodrafandrana eo akaikin’Avaradrova tamin’ny taona 1881. Io lalana io no nilaza voalohany ny tsy maintsy ampianarana ny ankizy any an-tsekoly.

Hoy ny fitantaran-dRakotovao ao amin’ny Bokiny, pejy 119 : « fa Mpanjaka nahavita soa be indrindra izy…indrindra fa ny nataony, amy ny ham-pandrosoana ny tenin’Andriamanitra sy  ny hahaizan’ny ankizy madinika mianatra amy ny sekoly».

3°- fampiasana voalohany ny vato sy ny biriky ary tafo tanimanga hanorenana ny tranom-ponenana.Ny vato dia voatokana ho fanorenam-pasana taloha an’izany, izay fonenana mandrakizay ho an’ny Malagasy. Betsaka ny tranom-piangonana no lasa trano vato.

Mbola betsaka ny trano ao afovoan-tany misy ankehitriny nanaraka io fomba fanorenana tamin’izany andro izany. 

Anisan’ny Mpanjaka mamim-bahoaka tokoa Ranavalona II tamin’ny nanjakany. Hoy ihany Rakotovao , dekan’ny  Praiministra Rainilaiarivony, ao amin’ny pejy 119-120 : « Ary ny fitiavan’ny olona Azy, noho izany rehetra nataony teto amy ny fanjakana izany, Dia samy tia Azy avokoa ny vahoaka rehetra, noho ny hatsaram-panahiny ». Nony maty Ranavalona II dia : « Endray ! ny figogogogon’ny Vahoaka rehetra ; na lahy ; na vavy ; na kely ; na lehibe, Lasa Mpanjaka malemi-fanahy»  Lire la suite de cet article »

|