Archive pour avr  

Tafiditra ho Mpikambana feno ao amin’ny FPF ny FPMA

Alahady 1 Apr 2007, 

Ho an’ny Filohan’ny Tafo 34 FPMA,
Ho an’ny Filohan’ny faritany 6 FPMA,
Ho an’ny Mpitandrina sy mpiandraikitra ambaratonga rehetra FPMA
(Fiaraha-mivavaka, sampana iraisina, Tafo, Faritany, vaomiera,…)

Ho an’ny vahoaka FPMA,

« Misaora an’i Jehovah Ry fanahiko!».
(Salamo)
Ry Havana,

Amim-pifaliana LEHIBE sy fo feno fankasitrahana an’Andriamanitra ni ilazana aminareo fa,
  • Rehefa nivory omaly Asabotsy 31 Martsa 2007 sy androany Alahady 1 Aprily 2007 ny Fivoriambe - Assemblée Générale Fédération Protestante de France (FPF) tao Paris Dia nanapaka tamin’ny latsa-bato miafina koa manambara fa isan’ny MPIKAMBANA FENO ny FPF (MEMBRE A PART ENIERE DE LA FEDERATION PROTESTANTE DE FRANCE) ny FPMA manomboka ankehitriny
  • Raha mpikambana mpiara-miasa (membre associé) ny FPF ny FPMA efa amam-polotaonany maro izao, dia voaray mpikambana feno kosa ankehitriny (membre à part entière)
  • Nampitsanganina ny solontena roa FPMA, dia, Pastera Synodaly jean RAVALITERA Filohan’ny FPMA sy ny tenanay Jean-Solo RAFIDINARIVO Filoha Mpanampy FPMA koa nomena ny teny fiarahabana feno filafaliana avy amin’ny filoha sy mpivory rehetra koa indro ampitaina aminareo FPMA manontolo! 
  • Dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny FPMA izao koa ny voalohan-teny dia “Misaotra an’Andriamanitra” fa “miasa foana ny mpanao trano raha tsy Jehovah no manao azy”
  • Raha nomen’Andriamanitra fahasoavana manokana ny FPMA koa efa mpikambana feno ARM (Alliance Réformée Mondiale) sy LWF (Fédération Luthérienne Mondiale) ary KEK taona maro izao, dia indro tonga fitahiana indray, koa tafiditra mpikambana feno FPF (Fédération Protestante de France).
  • Ho fiarahantsika rehetra tsy ankanavaka hisaotra an’Andriamanitra, dia manasa ny rehetra hanatrika ny fanompoampivavahana Lehibe hankalazana ny anarany noho izao vaovao lehibe izao, ny alahady 15 Aprily (Région Parisienne)
  • Dieny izao, dia mangataka ny ambaratonga rehetra indrindra tafo 34  FPMA, hizara malalaka izao vaovao izao, hamaky izany amin’ny raharaham-piangonana, ary hanandratra vavaka fisaorana amin’ny fanompoampivavahana manaraka rehetra eny amin’ny tafo 34 FPMA.
Voninahitra ho an’Andriamanitra,

Jean-Solo RAFIDINARIVO
Filoha Mpanampy FPMA

|