Archive pour mai  

S.T.K Ivry - Hafatra

” Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho , dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako “. (III Jaona 4 )

 

Izany teny izany ry havana no entinay Sampana Tanora Kristiana eto amin’ny Tafo Ivry Famonjena miarahaba ny fiangonana.

Ny Sampana Tanora Kristiana dia sampana iraisan’ny tanora eto amin’ny Fiangonana.

Miara miasa amin’ny Sampana velona rehetra eto amin’ny fiangonana ny STK ho fampandrosoana ny Asan ‘ Andriamanitra.

Vita soa aman-tsara iny ny fifidianana ireo birao vaovao eto amin’ny Sampana , ary tanteraka ihany koa ny Alahadin’ny STK ka dia isaorana ny Tompo izany.

Ankasitrahana noho izany ny finiavan’ireo tanora ato amin’ny Sampana ary hita tokoa fa tena mandray andraikitra izy ireo.

Fisaorana ihany koa no atolotra ireo STK avy amin’ny tafo rahavavy tonga nanotrona tamin’ny Alahadin’ny STK , ary indrindra koa ny Mpitandrina nitondra ny teny.

Ny Asan ‘ ny Sampana:

  1. -Mivory in-droa isam-bolana ny Sampana ( ny Asabotsy alohan’ny Fandraisana sy Tapa-bolana ao aoriana).Madritr’izany dia mianatra ny tenin’ny Soratra Masina ho vatsim-panahy, mianatra hira entina midera sy mankalaza, ary mifampizara vatsy na hoe “goûter”.
  2. -Manao asa fitadiavam-bola hanefana ireo adidy samihafa sy hanampiana ny saran-dalana amin’ny RNSTK (hatao any Lille ny 6-7-8 Jolay 2007 ho avy izao).
  3. -Manantanteraka anjara hira isaky ny alahady voalohany sy mandritra ireo fotoan-dehibe toy ny Paska, krismasy, Pentekosta. Ary mandray anjara koa amin’ny ” Veillé de Noël”.
  4. -Manao asa iarahana amin’ny STK faritany ho entina kifankafantaran’ireo mpikambana any amin’ny Tafo rahavavy ( ohatra ny STKaraoké).
  5. -Ny STK Ivry ihany koa dia manana solon-tena ao amin’ny Biraon’ny STK Nasionaly .

Ireo asa miandry:

  1. -Ny fanamafisana ny fampianarana ny Baiboly : fandalinana ireo “personnage biblique” , fandinihana ireo loha-hevitra maro mikasika ny tanora.

Eto ampamaranana dia manentana ireo tanora rehetra eto amin’ny Fiangonana mba hanatevin-daharana ny STK ho fampiroboroboana ny asan’Andriamanitra , ary manainga ihany koa ireo tanoran’ny Sampana mba handroso hatrany amin’ny Asan’ny Tompo.

Ny Tompo anie hanafy hery sy hitondra saina matsilo ho an’ireo birao vaovao.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie.

Ireo “DIAKONA”

Miarahaba anao Pasitera Jacky Randriambololona.

Misaotra anao manome fotoana ifanakalozana aminay Sampana Lehilahy Kristiana (SLK) eto Ivry Famonjena.

Tamin’ny alahady 29 aprily 2007 lasa teo no notakanana sy noraisin-tanana tetsy amin’ny Eglise Catholique Choisy le Roi (tsy lavitra ny toerana iangonantsika ankehitriny) ireo Diakona mandritry ny roa taona ho avy eto amin’ny FPMA Tafo Ivry Famonjena. Feno ny fiangonana.

Inona marina moa Pasitera no antsoina hoe “Diakona” ?

Ny teny hoe Diakona dia nadika tamin’ny teny Grika  hoe “diakonos”, midika hoe “mpanompo”, mpanompon’ny fiangonana, mpikenonkenona, mpiadidy ny fandavorariana ny asa nifanarahana, ny raharaha iombonana.

(Mila vakina tsara ny Eks 18 : 13-26 sy ny Asa 6 : 1-7).

Ny ao amin’ny Eksôdôsy sy Asan’ny Apôstôly dia lehilahy avokoa no voalaza ao. Tsy midika anefa izany fa tokony ho lehilahy ihany no azo tendrena ho Diakona, satria i Paoly apôstôly dia nanonona vehivavy ao amin’ny Romana 16 : 1.

Vanim-potoana toy inona no niandohan’ny Diakona ?

Miainga amin’ireo andinin-tSoratra Masina roa eo ambony ireo isika, na dia tsy hita ao aza ny teny hoe “Diakona” dia tsara marihina fa ireo no efa napetrak’ireo teolojiana sy mpitondra fiangonana fahiny fa fototra ara-tSoratra Masina iankinan’ny antom-pisian’izany asa fanompoana ao amin’ny fiangonana izany. Noho izany dia tamin’ny vanim-potoana niainan’ny Mosesy (1250 taona talohan’i Jesoa Kristy) nitondra ny zanak’Israely nihazo ny tany Kanana no niandohan’ny Diakona (Eks 18 : 13-26). Efa nisy araka izany ny Diakona tlohan’ny nahatongavan’i Kristy.

Misy karazan’olona ve voalazan’ny testamenta taloha manao asa mitovitovy amin’ny Diakona ?

Mbola miverina ihany isika amin’ny Eks 18 : 13-26, izay milaza fa nanendry lehilahy maromaro Mosesy hiara-miasa aminy amin’ny fanatantererahana ny raharaha eo amin’ny fitondrana ireo vahoakan’Andriamanitra. Mihazo amin’ny ohabolana Malagasy izany manao hoe “Ny tao-trano tsy efan’irery” ary ny “entan-jarai-mora zaka”. Ary raha jerena ireo fanekena ataon’ny Diakona dia voalaza ao fa “ho naman’ny Mpitandrina” izireo, mpiara-miasa amin’ny Mpitandrina.

Inona marina no tena andraikitry ny Diakona eo amin’ny sahan’ny Fiangonana ?

Maro dia maro tokoa ny andraikitr’ireo Diakona ao amin’ny Fiangonana; aleo angaha izay tena mavesa-danja indrindra  no tanisaina eto :

  • Miantoka izay hahalavorary ny filaminana eo amin’ny Fiangonana.
  • Mitaiza ny fo amam-panahin’ny olona ary mikatsaka izay hampandroso ny Tenin’Andriamanitra.
  • Mampiharihary ny hasoan’ny fiaraha-miasa (Mpitandrina, Diakona, Sampana, Mpandray, tsy Mpandray, tanora, zaza).
  • Mpiara-miasa amin’ny Mpitandrina (Fanatazan-drakitra, Fizarana ny mofo sy divay amin’ny Fanasan’ny Tompo, Batisa, mariazy, fandevenana, programa, fandiniham-bola sy fitantanana ny fananan’ny Fiangonana, fifandraisana sns…)

Iza no afaka manao ny asan’ny Diakona ?

Mifototra mandrakariva amin’ny Soratra Masina isika dia tokony hovakintsika ny voalaza ao amin’ny :

  • Eks 18 : 21
  • Asa 6 : 3
  • I Timoty 3 : 8-13

Raha izay ny mikasika ny Soratra Masina, ny Fitsipika anatiny ny FPMA kosa dia mametra fa tokony ho feno 18 taona sy efa ho Mpandray ny fanasan’ny Tompo ny olona afaka manao ny asan’ny Diakona.

Inona no mahasamihafa ny Diakona sy ny Loholona (Ancien) eo amin’ny Fiangonana ?

Tsara raha toa ka omena ihany aloha ny antsoina hoe “Loholona”, tsy ilay “Zokiolona” araka ny noheverantsika Malagasy azy izy io, na ireo Diakona tsy lany sady efa misotro ronono. Ny Soratra Masina dia milaza fa ny “Loholona” dia ireo Mpitondra Fiangonana (Presbytera hoy ny Asa 20 : 17; Episkopo hoy ny Asa 20 : 28). Jereo ihany koa Titosy 1 : 5,7.

Raha ny Fiangonana Kristiana voalohany dia niorina tanteraka tamin’ireo fitondran’ireo Loholna ireo “Gouvernement collégial des Anciens”.

Ny asa niandraiketan’izireo dia :

  • Ny fitaizam-pinoana.
  • Ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana.
  • Ny asa fiantrana sy famangiana.
  • Mpitarika (Guide, Conducteur).
  • Mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra (Mpiandry ondry).

Inona no andrasanao amin’ireo Diakona eto amin’ny fiangonantsika ?

Nisy fanekena notonon’izireo teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana, noho izany dia tokony hotanterahan’izireo sy hiainanay mandritra ny androm-panompoany izany.

Manampy kely fotsiny anefa aho, izay tanjona tokony ho tanana izay iarahako miasa amin’izireo dia ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Asa 6 : 7 “Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra”.

Ho voninahitr’Andriamanitra !

Dia misaotra indrindra Pasitera.

Mirary fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny Diakona sy ny Mpitandrina ary ny Birao izahay SLK ho samy eo ambany fahasoavan’Andriamnitra hatrany hampandroso an’Ivry Famonjena sy ny Mpiangona ao aminy.

|