Alahady 27 Mey 2007-Toriteny Pentekosta

                          Alahady 27 Mey 2007-Toriteny Pentekosta

Ny Anarana Malagasy ? Lava dia lava tokoa matetika. Satria nahoana ? Satria noho ny fitiavan’ireo Ray aman-dreny hanana ny soa. Ireo faniriana rehetra mba tian’ireo RAD ho tonga amin’ireo Zanany dia nataony tao amin’ny anarana avokoa. Fitiavana daholo no nahatonga izany.

Dia toy izany koa Andriamanitra ; nosalorany anarana sy endrika maro ny Fanahy Masina.

Manana anarana maro ny Fanahy Masina fa saingy ny « identité »-ny dia iray ihany: Andriamanitra telo izay iray : Andriamanaitra Ray-Andriamanitra Zanaka -Andriamanitra Fanahy.

Ireo anarana nomena ny Fanahy masina ao amin’ ny Baiboly:
1- ny FM dia mpampahery , mpampionona – (Asa 5:8)
2- ny FM dia Andriamanitra , Andriamanaitra Ray-Andriamanitra Zanaka -Andriamanitra Fanahy.
3- ny FM dia fanahin’i Kristy. (Romana 8:9)
4- ny FM dia Fanahin’ny Fahamarinana.-Npananatra (Jaona 16)

Ireo endriky FM:
1- Ny FM dia toy ny rano (Jaona 7). Loharano miboiboika milaza hetaheta ,mangetaheta ny fahamarinana. 90 % n’ny tenantsika dia rano avokoa. Ny rano noho izany dia Aina. Ny FM dia manadio , manadio ny olona eo anatrehan’Andriamanitra.

2- Ny FM dia toy ny afo.
    a-Jesoa dia efa nanao Batisa antsika tamin’ny Afo (Matio 3).

    b-Ny fiainan’ny Kristiana manaradia ny Tompo dia oharina tahaka ny volamena : harendrika amin’ny afo aloha (asiana varahina kely sy vainga simika) -kapokapohana-kikisana,kosehina,ary izay voa mangirana. Mivaivay tokoa mantsy ny fitsapana sy ny fakam-panahy rehetra miditra lalindalina amin’ny fanarahana an’i kristy ny olona iray.

    c-Ny afo ihany koa dia manome tsiro ny nahandro. Manome tsiro ny fiainana ny FM, ka manakana ny olona tsy hamoifo na hamono ny tenany.

     d-Ary ny toetra lehibe izay anana’ny Afo dia ny fanazavana sy ny fanafanany ny manodidina azy.Ny Kristiana koa dia tokony hanana fahadiovam-pitondrantena,fisainana. Ny kristiana dia tokony hanana fiainana mamirapiratra, mandeha amin’ny mazava mba ho modely.

3- Ny FM dia tahaka ny rivotra.(Jaona 3:8). Fa inona tokoa ny toetry ny rivotra ? :
a-Tsy hita maso , tsy azo tsapain-tanana : Tsy azo fehezina : «  Fa raha tarihin’ny Fanahy hianareo , dia tsy mba ambanin’ny lalàna. » (Galatiana 5)

b-Ny rivotra dia tsy misy lokony : Tsy manavakavaka, tsy miandany na amin’izatsy na zaroa.

c-Ny rivotra dia mampiaina : Ny kristiana tsy manana ny FM dia manana fiainana  asphixié , matroka lava ny fiainany. Manome tsiny lava ny hafa. Tsy mahay mandini-tena-Négatif foana-pessimiste.

4- Ary farany , ny FM dia tahaka ny voromailala (Jaona 1: 32 / Lioka 3)
     a- Ny voromailala dia mariky ny Fandriampahalemana. Ny olona feno ny fanahy masina dia olona tia fihavanana – tia namana – feno fiadanam-po (paix intérieure).

      b-Araka ny fantantsika ihany koa dia nandritra ny ady lehibe rehetra ( na dia teo aza ny fivoaran’ny teknolojia teo amin’ny fifandraisana ), dia nampiasaina foana ny voromailala hitondra hafatra , Lavitra ny dian’izy ireny matetika , mamakivaky ranomasina mihintsy aza indraindray, mifofo ny ainy ny bala sy ny voromahery , kanefa dia tongany soa aman-tsara ny hafatra. I Noa ihany koa dia naniraka ny voromailala hitady ny tany azo hifaharana (Genesisy 8: 10-11).

Ry kristiana havana , dia toy izany koa ny olona tarihin’ny FM , mijoro tsy mirona, mitondra ny hafatry ny tompo ka mampiely sy mampahafantatra ny filazan-tsara amin’ny olona rehetra mba ho voninahitr’Andriamanitra , Miroso hatrany amin’ny Fanaovana ny Asan’Andriamanitra na dia eo aza ny tsikera , fanakianana , fanomezan-tsiny,fingam-pingana , nyfanendrikendrehana.

Inona ary no ilana ny Fanahy Masina ? 

« Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia Angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany ».-JAONA 15
« fa ny fanahy masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo. »- LIOKA 12

Mpampahery-Mpampionona-Manome Saina-Manala tahotra , sns….Efa saika voalaza tetsy ambony avokoa ny ambangovangony mikasika ny hilana ny Fanahy Masina.

       a-Araka io andininy voalaza ao amin’ny Jaona io , FM na koa ny Fanahin’i Kristy dia ahafahan-tsika ihany koa mangataka izay zavatra irintsika amin’Andriamanitra na ara-nofo (materialy-fahasalamana) na ara-panahy. Tokony ho masina anefa isika raha tonga eo anatrehan’Andriamanitra hangataka. Ataon’ny Ray Amandreny ahoana tokoa moa no hanome mofo na hampisakafo ny Zanany raha mbola maloto mihosom-bovoka ny tananan’izany zanany izany.
Tsy maintsy sasana amin’ny FM aloha ny fahotan-tsika izay voa afaka miray latabatra amin’ny Tompo isika.

       b-Ny FM ihany koa no manoro antsika ny lalan-kizorantsika amin’ny fomba tsy takatry ny saintsika.

       c- « Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo. »-Asa 1

Ahoana no azahoana ny Fanahy Masina ?
1-Mino an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.
« Fa hoy Jesosy taminy:  Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny Mino . »-. MARKA 9
« Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay Mino ny anarany »-  JAONA 1
2-Miaiky heloka , miaiky fa mpanota isika.Mangataka famelana.
3-Mivavaka .Mamaky ny Baiboly isan’andro . Mandalina ny soratra masina ary mankato sy mampiatra izay voalaza ao amin’ny fiainana andavan’andro (mila fandajalanjana tsara anefa izany).

Hirariana fa hitondra soa ho antsika kristiana ity lahatsoratra toriteny ity.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie.

Amen.

Laisser une réponse