Sampana Miaradia-Hafatra avy amin’ny Filohan’ny Tafo Ivry
Fa aza manadino ny hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra” (Hebreo 13: 16).
Ho an’ny Mpitandrina sy ny Komitin’ny Tafo FPMA Grands Champs, Fihobiana, Melun, Cergy, Orleans, Port Royal Arago(NB : envoyé 1ŕ 1 )
Hampitomboina ho amintsika mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra, Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo!
Maneho fisaorana sy fankasitrahana anareo Tafo Rahavavy eto amin’ny Faritanintsika izahay tamin’ny fahatongavanareo, nanotrona sy nandray anjara ary nitrotro am-bavaka tamin’ny Fanasana anareo tamin’ny DINER CONCERT nifandrimbonan’ny SAMPANA VALO MIARADIA eto aminay ny Sabotsy 02 Jona 2007 lasa teo.
Tsaroana ny maha-iray antsika ao amin’ny Tompo na dia maro tokoa aza.
Ny Tompo anie hamaly ny fitiavana asehonareo izao , ho Voninahitry ny Anarany!
Tena sitrakay indrindra tokoa, raha misy Billets tsy nampiasaina, na fandraisan’anjara mbola tsy voaefa, ny hampitanareo izany aty aminay!
Mirary soa sy fitahiana avy amin’Ilay Niantso antsika izahay, ry Havana!
Hoy ny Mpitandrina sy ny Komity Tafo FPMA Ivry Famonjena
Ny Filoha, David Andriantseheno
Cet article a été posté le 9.6.2007 à 0:07 et est classé sous SM-Filohan'ny Tafo. Vous pouvez consulter toutes les réponses à cet article via le flux RSS 2.0. Vous pouvez laisser une réponse ou effectuer un trackback à partir de votre propre site.