Tafo Toulouse : Mpitandrina matianina
Alatsinainy 2 Jolay 2007,
Ho an’ny Filohan’ny Tafo 34 FPMA,
Ho an’ny Filohan’ny faritany 6 FPMA,
Ho an’ny Mpitandrina sy mpiandraikitra ambaratonga rehetra FPMA,
(Fiaraha-mivavaka, sampana iraisina, Tafo, Faritany, vaomiera,…)
Ho an’ny vahoaka FPMA,
Ry Havana,
Faly mamangy anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa kristy ary mampita,
-
Indro (vakio etsy ambany) Taratasy avy amin’ny Filohan’ny Tafo FPMA TOULOUSE,
-
Mizara fa “Noho ny fitahian’Andriamanitra dia vita soamantsara ny fifidiana ny mpitandrina matihanina eto anivon’ny FPMA Toulouse…Voafidy ny fivoriambe tamin’izany ny Mpitandrina Elysée Andriamiandra “
-
FIFALIANA LEHIBE ary dingana manokana eo amin’ny asan’Andriamanitra eto amin’ny fiangonany FPMA manontolo ny firosoana Tafo FPMA amin’ny hananana mpitandrina maty hanina toy izao, satria mampandroso ny asan’Andriamanitra ary MAMALY ny antso avo nataon’ny Synoda Lehibe farany Nov 2006 Tany Orléans izay manasa sy manentana ny Tafo rehetra 34 FPMA hiroso amin’ny fananana mpitandrina matihanina
-
Ampahatsiahivina fa DIMY izany izao ankehitriny ny Tafo FPMA niroso amin’ny fananana mpitandrina matihanina (Paris, La Réunion, Aix-Marseille, Grand-Champs, Toulouse), Telo no nanapakevitra tao aorian’ny Synoda Lehibe Nov 2006 tao Orléans, ary ho ENINA atsy ho atsy ny isan’ny mpitandrina matihanina eto amin’ny FPMA miaraka amin’ny Pastera Synodaly Filohan’ny FPMA
-
MIARAHABA NY MPITANDRINA, ny MPIANDRAIKITRA sy ny FPMA TOULOUSE MANONTOLO isika noho izy ireo manaiky ny antson’ny Tompo koa vonona mandray andraikitra ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra.
-
Manainga ny Tafo hafa rehetra hamaly ny fanentanan’ny synoda koa dieny izao hitrandraka sy hanapa-kevitra ny amin’ny fananana Mpitandrina matihanina.
-
Mampatsiahy ny tafo rehetra fa efa miasa ny vaomiera natsangan’ny Synoda Lehibe Nov 2006 dia ny VMMM (Vaomiera Mitrandraka ny amin’ny Mpitandrinda Matihanina) tarihin’ny Pastera Falimanana RAHARINDRANTO ( falrahari@aol.com tel 04 42 60 80 52) koa aoka ny Tafo rehetra tsy hiahotra hanantona azy ireo amin’ny fitrandrahana rehetra
-
Aza miahotra mizara malalaka izao tratasy izao amin’ny tandrify azy avy
Voninahitra ho an’Andriamanitra,
Jean-Solo RAFIDINARIVO
Filoha Mpanampy FPMA
Alatsinainy faha 02 Jolay 2007,
Ho an’ny tompon’andraikitra FPMA,
Ry Havana,
Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo,
Mahafaly anay ny mizara amintsika izao vaovao izao:
Noho ny fitahian’Andriamanitra dia vita soamantsara ny fifidiana ny mpitandrina matihanina eto anivon’ny FPMA Toulouse.
Izay natrehan’ireto manaraka ireto :
- Ny mpitandrina synodaly Dr rev. Jean Ravalitera, filoha FPMA
- Ny mpitandrina Charles Rakotondramanana, mpandrindra ny FATSAN
- Ny filoha+birao FATSAN : Zoniaina Ralantomanana, Lala Ramanantoandro, Solo Rabarimanana
Voafidy ny fivoriambe tamin’izany ny Mpitandrina Elysée Andriamiandra
Ny Voninahitra ho an’Andriamanitra Irery Ihany
Amin’ny anaran’ny Komity ny tafo FPMA Toulouse
HERY RAMAMONJISOA
Filoha FPMA Toulouse
Cet article a été posté le 6.7.2007 à 16:20 et est classé sous Tafo Toulouse : Mpitandrina matianina. Vous pouvez consulter toutes les réponses à cet article via le flux RSS 2.0. Vous pouvez laisser une réponse ou effectuer un trackback à partir de votre propre site.