Archive pour oct  

Fitsipika anatiny mifehy ny Sampana Lehilahy Kristiana Ivry Famonjena

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA
F.P.M.A Ivry Famonjena

FITSIPIKA ANATINY ITONDRANA NY S.L.K
IVRY FAMONJENA

TOKO I . NY SAMPANA

And 1.1- Famaritana: Ny SLK dia sampana, hivondronan’ny lehilahy ao amin’ny Fiangonana Ivry Famonjena mino sy manaiky hanaraka an’i Kristy, miankina ary manaja ny rafitra sy ny fitsipika rehetra eo amin’ny Tafo Ivry Famonjena sy ny FPMA Foibe.

And 1.2-Ny anarana entiny: “ Sampana Lehilahy Kristiana (S.L.K) Ivry Famonjena no anarana hisalorany.

And 1.3 - Ny Foiben-toerany (siège) : Izay misy ny foiben-toeran’ny FPMA IVRY famonjena ihany no raisina ho foiben-toerany.

And 1.4 - Ny Tarigetrany :

A-Mitaona ny lehilahy kristiana rehetra hijoro ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fomba sy toe-panahy kristiana.
B- Ny firalahiana : Mpirahalahy avokoa ny Mpikambana ao : mifanohana , miray hina.
C- Ho kintana fitarik’andro sy modely eo anivon’ny Sampana velona eto Fiangonana Ivry ary ny Fpma manontolo

TOKO I I . NY MPIKAMBANA

And 2.1- Amin’ny maha sampana Lehilahy azy dia tokony ho lehilahy avokoa ny mpikambana ao.

And 2.2- Ny atao hoe Mpikambana dia ireo lehihahy rehetra voasoratra ao amin’ny lisitry ny Mpikambana ary manana karatra maha mpikambana.

And 2.3- Ny Mpikambana dia tokony hanaja ny fitsipika mifehy ny sampana ary koa ny ny Fitipika mifehy ny Fpma

And 2.4- Ny Mpikambana dia tokony hanana toe-panahy maha-kristiana sy fitondran-tena mendrika.

And 2.5- Ny Mpikambana tsotra ao amin’ny SLK dia afaka manana andraikitra any amin’ny Sampana hafa.

And 2.6- Ny Mpikambana Tompon’andraikitra na koa ireo Birao ao amin’ny SLK dia tsy tokony hanana andraikitra mihoatra ny iray any amin’ny Sampana hafa.

And 2.7-Ny Mpikambana dia tokony handoa adidy indray mandeha isam-bolana.

And 2.8-Raha misy tsy fahafahan’ny Mpikambana manatrika fivoriana na hetsika ataon’ny Sampana dia tsara raha mampandre mialoha ny birao izy.

And 2.9-Ny Mpikambana dia tokony hampandre haingana ny birao raha misy toe-javatra mitranga eo amin’ny ankohonany ( na an-kafaliana na an-karatsiana).

TOKO III . NY BIRAO

And 3.1 - Toy izao no firafitry ny birao farafahakeliny:
Filoha iray
Filoha Mpanampy iray
Mpitantam-bola iray
Mpitantsoratra iray

And 3. 2 - Ny fe-potoana iasan’ny Birao dia voafaritry ny fitsipiky anatiny ny Fiangonana Ivry Famonjena.

And 3. 3 - Raha misy fahabangan’ny toerana mandritra io fe-potoana io dia ny fivoriam-be no manao fifidianana mba hahafahana mameno izany toerana izany.

And 3. 4 - Ny Biraon’ny SLK dia manao ny tatitra amin’ny biraom-piangonana isan-taona ny amin’ny ara-bola, ara-pitaovana, ny asa nosahaniny nandritry ny taona nodiavina.

And 3. 5 - Ny Biraon’ny Sampana no mamolavola ny tetik’asa rehetra hampandrosoana ny Sampana.

And 3. 6 - N y Birao dia tokony hivory indray mandeha isam-bolana.

And 3. 7 - Iireto avy no asa tokony hiandraketan’ny Birao ary atao isan-taona izany:
-Fanavaozana ny lisitry ny Mpikambana.
-Fandinihana ny fitsipika anatiny
-Famaritana ny soritr’asa mandritra ny taona
-Fanamarinana ny Kaontin’ny Sampana sy ny fananan’ny Sampana , ary iarahana amin’ny amin’ny Mpandini-bolan’ny Fiangonana

And 3. 8 - NY FILOHA

And 3. 8. 1- Ny filoha no misolo-tena ofisialin’ny ny Sampana eo amin’ny Sehatra rehetra : Komity, fiangonana, sampana iraisana….

And 3. 8.2 – Ny filoha no miantso sy mitarika ny fivorianan’ny birao sy ny fivoriam-be.

And 3. 8.3 – Ny filoha no manao ny tatitra amin’ny biraom-piangonana isan-taona ny amin’ny ara-bola, ara-pitaovana, ny asa nosahaniny nandritry ny taona nodiavina.

And 3. 8.4 – Ny Filoha no Tompon’Andraikitra voalohany amin’ny hetsika na asa ataon’ny Sampana.

And 3. 8.5- Tsy azo fidiana ho filoha ireo diakona ao amin’ny Fiangonana.

And 3. 8.6 – Ny famoaham-bola ao amin’ny kitapom-bolan’ny Sampana dia tokony hahazo alalana avy amin’ny Filoha

And 3. 9 – NY FILOHA MPANAMPY

And 3..9. 1-Ny Filoha mpanampy no misolo toerana ny filoha amin’ny fotoana tsy mahaeo azy.

And 3.9. 2-Mifanampy amin’ny filoha izy amin’ny fanomanana sy ny fitarihana ny fivoriana.

And 3. 10 – NY MPITAN-TSORATRA

And 3. 10. 1- Ny mpitantsoratra no mirakitra an-tsoratra ny fehin-kevitra tapaka amin’ny fivoriana rehetra.
And 3. 10. 2-Mitana an-tsoratra ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny Sampana izy: fihetsiketsehana, fandehanana mivoaka, fankalazana.

And 3. 10. 3-Ny mpitantsoratra no miandraikitra ny serasera ato anatiny sy ivelan’ny Sampana.

And 3. 10. 4-Afaka misolo toerana ny Filoha amin’ny fivoriana na serasera raha misy tsy fahafahana voamarina ny Filoha sy ny Filoha Mpanampy.

And 3. 10. 5 - Ny Mpitan-tsoratra no miandraikitra ireo boky firaketana misy:
Ny lisitry ny Mpikambana ao amin’ny SLK, manavao izany ho ara-potoana (adiresy, mailaka…)
Ny tatitr’ireo fivoriana isan-karazany
Ny asa samihafa efa natao
(ireo boky firaketana ireo dia azon’ny Biraon’ny SLK na ny Biraom-piangonana jerena raha misy ilaina izany.)

And 3. 11 – NY MPITANTAM-BOLA

And 3. 11.1 -Miandraikitra ny Fanoratana ampilaminana ny vola mivoaka sy miditra.ao amin’ny Bokim-bola izy, ka izany dia hataony ao anatin’ny herinandro navoahan’ny vola na nidirany.

And 3.11.2 -Izy ihany koa no tompon’andraikitra mandray ny vola miditra rehetra : mandritra fihetsiketsehana ataon’ny Sampana na koa ny adidy hefain’ny Mpikambana , na fanomezana…

And 3.11.3 -Tsy mitahiry vola eo ampelatanana ny Mpitantam-bolan’ny Sampana.Ny lela-vola ,na taratasim-bola miditra rehetra dia ho arotsany any amin’ny Mpitahiry volan’ny Fiangonana herinandro aoriana.

And 3.11.4 -Miandraikitra ny fitehirizana ny bokim-bola sy ny fanamarinam-bola (pièces justifs)(mivoaka na miditra)ary ny rosia , ary koa ny boky mirakitra ny fananan’ny Sampana (tableau d’amortissement raha ilaina).

And 3.11.5- Izy ihany koa no manomana ny taratasy fangatahana famoaham-bola , mampanao sonia izany amin’ny filohan’ny Sampana na ny Filoha lefitra ary maka izany vola izany any amin’ny Mpitahiry volan’ny Fiangonana.

And 3.11.6- Manomana bokim-bola sy ny fanamarinam-bola rehetra ka manome izany ny Mpandini-bolan’ny Fiangonana .

And 3.11.7- Ny famindran’asa (passation) amin’ny Mpitantam-bola voavao dia tokony ho vita ao anatin’ny 1 volana ao aorian’ny fifidianana.

And 3.11.8- Manara-maso ny volan’ny SLK ao amin’ny kitapombolan’ny Fiangonana izy.

And 3.11.9-Ny vola mivoaka dia iarahany manapaka miaraka amin’ny Filohan’ny SLK izay mampilaza ny birao manontolo.

And 3. 11 10-Manao tatitra amin’ny Birao isaky ny misy vola mivoaka na miditra izy.

TOKO IV . NY RAFI-PITONDRANA

Rafitra an-tanan-tohatra roa ny fomba fiasa ao amin’ny SLK Ivry :
1-Ny fivorian’ny Birao
2-Fivoriambe ataon’ny mpikambana
.

IV.1-FIVORIAN’NY MPIKAMBANA

And 4.1.1- Mivory ara-potoana indray mandeha isan-taona ny mpikambana.
And 4.1.2- Ny fiantsoana fivoriana dia farafakeliny 2 (roa) herinandro mialoha.
And 4.1.3-Afaka manatrika ny fivorian’ny mpikambana ny lehilahy rehetra ao amin’ny tafo, ary afaka mitondra ny heviny izy ireo amin’izany saingy ny mpikambana voasoratra ihany no afaka mifidy sy manapa-kevitra

And 4.1.4-Ny fivoriam-ben’ny mpikambana no tompon’ny teny farany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra.

And 4.1.5-Tsy misy salan’isa tratrarina amin’ny isan’ny mpikambana tonga mivory (tsy misy Quorum).

And 4.1.6-Lany ny hevitra iray raha toa ka voafidin’ny antsasaky ny mpivory miampy iray farafakeliny.(majorité relative).

And 4.1.7-Ny fivoriam-ben’ny mpikambana no mifidy ny birao rehefa lany ny fe-potoana iasan’izy ireo na raha misy toerana banga ao aminy.

And 4.1.8-Ny mpitan-tsoratra no manao ny tatitra an-tsoratra ny hevitra tapaka nandritran’ny fivorian’ny mpikambana.ary mampanao sonia izany ny Filoha na ny Filoha lefitra.Rehefa tanteraka izany dia handefasany dika mitovy ny Biraon’nyFiangonana.

And 4.1.9- Ny mpitan-tsoratra no manomana ny taratasy fanamarinam-pahatongavana (ficche de présence) ary mampanao sonia izany amin’ireo mpivory.

And 4.1.9- Ny fivoriam-ben’ny mpikambana no mifidy ny Birao.

IV.2-FIVORIAN’NY BIRAO

And 4.2.1-Ny fivoriana voalohan’ny birao vaovao dia atao ao anatin’ny roa herinandro aorian’ny fifidianana.

And 4.2.2-Tsy azo tanterahana ny fivoriana raha tsy eo anatrehan’ny antsasa-manilan’ny mpikambana ao amin’ny birao.

And 4.2.3-Azo entina eo amin’ny fivorian’ny mpikambana ny volavolan-kevitra avy ao amin’ny birao raha toa ka lanin’ny antsasa-manilan’ny mpikambana ao amin’ny birao izany.Ny hevitra tapaky ny Birao dia entina ankatovin’ny fivoriam-be.

And 4.2.4-Raha misy toe-javatra ilana fanapaha-kevitra maika voamarina, izay tsy ahafahana miantso fivoriam-be,dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny birao.

TOKO V . NY RAHARAHAM-BOLA

And 5. 1-Ny vola miditra

And 5. 1.1- Azon’ny Sampana atao ny fitadiavam-bola amin’ny fomba rehetra saingy tsy maintsy mifanaraka amin’ny toe-panahy kristiana izany , mifanaraka amin’ny fitsipika mifehy ny fiangonana sy ny Fpma.

And 5. 1.1-Ny latsak’emboka ataon’ny Mpikambana tsiraray (izay foy) isam-bolana no vola miditra raikitra ho an’ny Sampana.

And 5. 1.2- Hetsika iray isan-taona farafaharatsiny no ataon’ny Sampana mba hahazoana vola. Hetsika nahazo fankatoavana tamin’ny Fiangonana.

And 5. 1.3- Ampahafantarina ny mpikambana ny vola azo tamin’ny hetsika nataon’ny Sampana ary izay dia lazaina amin’ny raharaham-piangonana herinandro aoriana.

And 5. 1.4- Azon’ny Sampana atao ny manadray ireo fanomezana samihafa avy amin’ny Mpikambana na avy any ivelany.

And 5. 2-Ny vola mivoaka

And 5.1.1- Ny vola sy ny fitaovan’ny Sampana dia entina indrindra indrindra hampiroboroboana ny asan’Andriamanitra ,hanampiana ny ory,hanaovana adidy maro samihafa ary koa ho fampitovana. Tsy tokony hisy araka izany ny fandanindaniam-poana.

And 5. 1.2 – Azon’ny Birao atao avy hatrany ny mamoaka vola sy manatanteraka ny asa famangiana raha misy zava-mitranga araka ny hita amin’ny tabilao etsy ambany (en euros):
a- Fahoriana : Mpikambana,vady,zanaka……………………………….25
Ray aman-dreny ………………………………………20
Iray tampo……………………………………………..15

b- Aretina (miditra hopitaly mihoatra ny iray andro)
Mpikambana, vady ,zanaka…………………………..15

c- Fifaliana : Teraka……………………………………………………….15
Sakramenta : Batisa :tena, vady,zanaka…………….15
mpandray……………………………..15
Fanokanana sy fandraisan-tanana Diakona…………..15
Fanamasinana mariazy…………………………………..15
Raha misy tranga hafa ankoatra ireodia ny fivorian’ny birao no manapakevitra

TOKO VI . NY SLK SY NY FIANGONANA IVRY FAMONJENA

And 6. 1-Ny SLK dia manaja sy manaraka ny rafitra sy ny fitsipiky mis ao amin’ny Fiangonana Ivry famonjena sy ny FPMA Foibe

And 6. 2-Ny SLK dia mandray anjara amin’ny fiainam-piangonana (fanompoam-pivavahana, vokatra, hetsiky ny fiangonana na sampana ao amin’ny fiangonana, fanabeazana, fitandroana ny filaminana, fanadiovana ny tranom-piangonana…) araka izay azo atao sy angatahina aminy.

And 6. 3-Ny fivoriambe SLK sy ny Fiangonana Ivry (MFT) no afaka mampiato na mandrava ny SLK.

And 6. 4-Ny fananan’ny SLK, ny fitaovan’ny SLK, ny vola rehetra dia lasa fananan’ny Fiangonana raha rava ny SLK.

Ny S.L.K Ivry Famonjena

|