Vous parcourez actuellement les archives de la catégorie AIM-PANAHY.
| L | Ma | Me | J | V | S | D |
|---|---|---|---|---|---|---|
| « oct | ||||||
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
7.3.2007 par samy520.
Raha ara-drafitra dia Sampana mitovy amin’ny Sampana rehetra eo amin’ny Fiangonana ny Fifohazana. Ny tsy azo lavina anefa dia fisehon-javatra (évènement) anankiray maningana anatin’ny tantaran’ny Fiangonana tao Madagasikara ny Fifohazana.
Raha araka ny tantara dia tany Soatanana, tànana andrefan’ny Fianarantsoa (51 km) no nihandohan’ny Fifohazana.
Ny Nahatongavan’ny Filazantsara tany Soatanàna :
1- Teo Antananarivo no efa nandray ny Filazantsara tamin’ny alalan’ny L.M.S. 1818. Ireo miaramila manam-boninahitra notendrena tany Fianarantsoa no nitondra ny Filazantsara tany.
2- Noho ny fanenjehana ihany koa nataon-dRanavalona I (1828-1861) dia maro ireo Kristiana nandositra niala an-Antananarivo koa niparitaka nandeha tany atsimo .
3- Ny L.M.S. (London Missionary Society) niorina tany Angletera tamin’ny taona 1795 no nitondra ny Filazantsara teto M/kara, ary nidina tany Fianarantsoa tamin’ny taona 1870. Misionera M.Richardson no niasa tao.
Ny toe-javatra nitranga – Very hevitra ny vahoakan’Andriamanitra :
1-Ny asan-dahalo : fangalarana omby sy ny fandroban’ireo dahalo ny fananan’ny vahoaka.
2- Ny areti-mandringana :tazo, namoizana aina’olona maro.
3- Ny menalamba: manenjika ny fivavahana Kristiana satria nentin’ireo Vazaha ary mamporisika ny olona hiverina amin’ny fanompon-tsampy.
Tao anatin’izany no vanim-potoana niaianan’Ingahy RAINISOALAMBO Razaimbola izay niandohan’ny Fifohazana tao Madagasikara.
RAINISOALAMBO dia nantsoina hoe Marambasia :
Olona voatokana mahazo mifampikasoka amin’ny andriana. Mpanompo sampy. Mpanao sikidy. Mpilalao ody. Mpanandro. Mpikabary mahay.sns…. Olona liana zava-baovao,
koa izany no nahaliana azy ny fivavahana Kristiana.
Sady Marambasia izy, Mpanao sikidy no Kristiana Katekista (Solompotandrina) : izany hoe kristiana sadasada (Syncrétiste). Nivavaka amin’ny fomba ivelany hita maso fotsiny.
Teto dia narary mafy izy, tsy nandaitra taminy intsony ireo ody sns…, nahantra, efa namoy fo koa…kanefa toa mbola nisy fanantenana ihany tao anatiny . Ny Hira faha-28 “zanahary tsy mba tia ny fahaverezanao…” (Vakio) no tonga matetika teo ambavany.
RAINISOALAMBO NIOVA FO .
Tao anatin’izany raho-mainty izany no nanandratra ny feony tamin’ Andriamanitra izy. Izao no vavaka nataony “Mba afaho re izaho Andriamanitra ô!” , tsotra sady fohy . Nahita tory soamantsara izy ny ny alin’iny na dia tao anatin’ny aretina mangirifiry aza ary nanofy izy : Andro nifohazany : 15 oktobra 1894 “Nahita olona nitafy lamba fotsy madio mangatsakatsaka nitsangana teo anoloany, nijery sady onena azy. ..Dia nandidy azy mba hialany amin’ny odiny sy ny sikidiny ilay olona niseho taminy”. Rehefa nifoha izy dia sitrana soamantsara. Teto dia resy lahatra RAINISOALAMBO. fa Jesoa Kristy no namaly ny vavaka nataony, niteny taminy ary nanasitrana azy. Tapaka tanteraka ny heviny fa hanary ireo ody, sampy ary ny sikidiny rehetra izy. Ary dia nataony izany. Nariany tany andava-piringa avokoa izany. Fifaliana no tao ampony satria sitrana izy, ara-nofo sy ara-panahy: Tanteraka ara-bakiteny teo aminy ny tenin’ Isaia Mpaminany “Nitondra ny aretintsika rehetra Izy, sady nivesatra ny fahotantsika” 53/7. Lasa olom-baovao: olona mifoha niova fo lasa mpanaradia an’I Jesoa Kristy, mandalina sy mankamamy ny Teniny manda ny asan’ny Devoly tamin’ireny sampy sy ody ireny. Izay ny hoe FIFOHAZANA araka ny niainan’Ingahy RAINISOALAMBO azy. Ary tsy nijanona teo izy fa nizara ny fahasoavana noraisiny, mba hovonjena toa azy koa ireo olona naira-belona taminy. Ao anatin’ny aretina sy ny fahamaizinan’ny fanompon-tsampy.
Dia nanomboka teo ny fanapariahana ny asa Fifohazana : Manatanteraka ny atao hoe “Asa sy Fampaherezana” ,amin’ny teny frantsay dia “Ministère de la déliverance”. Nantsoiny tamin’ny fibebahana aloha ny olona hiala amin’ny fahazaran-dratsy ka hitodika amin’ Andriamanitra velona ka handray fanasitranana avy amin’i Jesoa Mpamonjy.
Tao Soatanàna izany no Tobim-pifohazana voalohany. Rehefa nitatra izany dia teraka ihany koa ireo Toby hafa toy ny : Manolotrony Ambalavao Tsienim-parihy. Mbola ao Fianarantsoa. (1900) – Mpitarika Neny RAVELONJANAHARY. Vatotsara Betafo – Antananarivo (1927). Mpitarika Baba RAJAOFERA. Ankaramalaza – Fianarantsoa (1941). Mpitarika Nenilava Volahavana GERMAINE -Farihimena – antsirabe (1945) – Mpitarika Pasteur RAKOTOZANDRY Daniel. Lire la suite de cet article »
Posté dans AIM-PANAHY | Aucun commentaire »