Vous parcourez actuellement les archives de la catégorie AIM-PANAHY 2.
| L | Ma | Me | J | V | S | D |
|---|---|---|---|---|---|---|
| « oct | ||||||
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
6.3.2007 par samy520.
RANAVALONA II (Ramoma)
Nanjaka tao Madagasikara ny 2 aprily 1868 ka hatramin’ny 13 jolay 1883.
Ranavalona I (Imavo), no tena be mpahalala noho izy nanjaka lava indrindra (33 taona, 1828 – 1861) ary sarotiny tokoa tamin’ny fanjakana nentiny. Anisan’izany ny fandroahana vahiny (ankoatran’Atoa Jean Laborde) sy ny fanenjehana nataony tamin’ny malagasy nanandratra ny fivavahana kristiana nanomboka ny taona 1835.
Izao ry ambanilanitra no tsy itiavako ny fivavahana hoy izy : « ny fanaon’ny razako no avela, fa ny fanaon’ny razan’olona no hatao » (nalaina tao amin’Ny Bokin-dRakotovao, pejy 18).Fa Ranavalona IIkosa dia niavaka indrindra tamin’ny fiovana goavana nataony izay mbola betsaka no tavela hatramin’izao taona roa arivo izao :
1°- fandalana sy fanarahana ny fivavahana kristiana.
- fankatoavana ny fivavahana kristiana teo amin’ny andrim-panjakana,
- fandoroana ny sampy tao and-Rova
- fanorenana ny fiangonana tranovato Anatirova teo ambany fitarihan’i William Pool (notokananana 08 aprily 1880) , izay miorina ao atsimon’ny rova.
- betsaka ny fiangonana niorina tamin’izany no mankalaza ankehitriny ny faha 140 taona niorenany.
Ankehitriny dia mbola hita eo amin’ny Mpitondra ny fandalana ny fivavahana Kristianina
2°- tamin’ny androny no nivoahan’ny didin-dalana dimivento sy telonjato(Code des 305 articles) izay nandaminana ny fiainam-panjakana, indrindra ny raharaham-pitsarana. Fanorenana ny lapan’ny fitsarana ao Ambatodrafandrana eo akaikin’Avaradrova tamin’ny taona 1881. Io lalana io no nilaza voalohany ny tsy maintsy ampianarana ny ankizy any an-tsekoly.
Hoy ny fitantaran-dRakotovao ao amin’ny Bokiny, pejy 119 : « fa Mpanjaka nahavita soa be indrindra izy…indrindra fa ny nataony, amy ny ham-pandrosoana ny tenin’Andriamanitra sy ny hahaizan’ny ankizy madinika mianatra amy ny sekoly».
3°- fampiasana voalohany ny vato sy ny biriky ary tafo tanimanga hanorenana ny tranom-ponenana.Ny vato dia voatokana ho fanorenam-pasana taloha an’izany, izay fonenana mandrakizay ho an’ny Malagasy. Betsaka ny tranom-piangonana no lasa trano vato.
Mbola betsaka ny trano ao afovoan-tany misy ankehitriny nanaraka io fomba fanorenana tamin’izany andro izany.
Anisan’ny Mpanjaka mamim-bahoaka tokoa Ranavalona II tamin’ny nanjakany. Hoy ihany Rakotovao , dekan’ny Praiministra Rainilaiarivony, ao amin’ny pejy 119-120 : « Ary ny fitiavan’ny olona Azy, noho izany rehetra nataony teto amy ny fanjakana izany, Dia samy tia Azy avokoa ny vahoaka rehetra, noho ny hatsaram-panahiny ». Nony maty Ranavalona II dia : « Endray ! ny figogogogon’ny Vahoaka rehetra ; na lahy ; na vavy ; na kely ; na lehibe, Lasa Mpanjaka malemi-fanahy» Lire la suite de cet article »
Posté dans AIM-PANAHY 2 | Aucun commentaire »