Archive de la catégorie S.T.K Ivry - Hafatra

S.T.K Ivry - Hafatra

” Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho , dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako “. (III Jaona 4 )

 

Izany teny izany ry havana no entinay Sampana Tanora Kristiana eto amin’ny Tafo Ivry Famonjena miarahaba ny fiangonana.

Ny Sampana Tanora Kristiana dia sampana iraisan’ny tanora eto amin’ny Fiangonana.

Miara miasa amin’ny Sampana velona rehetra eto amin’ny fiangonana ny STK ho fampandrosoana ny Asan ‘ Andriamanitra.

Vita soa aman-tsara iny ny fifidianana ireo birao vaovao eto amin’ny Sampana , ary tanteraka ihany koa ny Alahadin’ny STK ka dia isaorana ny Tompo izany.

Ankasitrahana noho izany ny finiavan’ireo tanora ato amin’ny Sampana ary hita tokoa fa tena mandray andraikitra izy ireo.

Fisaorana ihany koa no atolotra ireo STK avy amin’ny tafo rahavavy tonga nanotrona tamin’ny Alahadin’ny STK , ary indrindra koa ny Mpitandrina nitondra ny teny.

Ny Asan ‘ ny Sampana:

  1. -Mivory in-droa isam-bolana ny Sampana ( ny Asabotsy alohan’ny Fandraisana sy Tapa-bolana ao aoriana).Madritr’izany dia mianatra ny tenin’ny Soratra Masina ho vatsim-panahy, mianatra hira entina midera sy mankalaza, ary mifampizara vatsy na hoe “goûter”.
  2. -Manao asa fitadiavam-bola hanefana ireo adidy samihafa sy hanampiana ny saran-dalana amin’ny RNSTK (hatao any Lille ny 6-7-8 Jolay 2007 ho avy izao).
  3. -Manantanteraka anjara hira isaky ny alahady voalohany sy mandritra ireo fotoan-dehibe toy ny Paska, krismasy, Pentekosta. Ary mandray anjara koa amin’ny ” Veillé de Noël”.
  4. -Manao asa iarahana amin’ny STK faritany ho entina kifankafantaran’ireo mpikambana any amin’ny Tafo rahavavy ( ohatra ny STKaraoké).
  5. -Ny STK Ivry ihany koa dia manana solon-tena ao amin’ny Biraon’ny STK Nasionaly .

Ireo asa miandry:

  1. -Ny fanamafisana ny fampianarana ny Baiboly : fandalinana ireo “personnage biblique” , fandinihana ireo loha-hevitra maro mikasika ny tanora.

Eto ampamaranana dia manentana ireo tanora rehetra eto amin’ny Fiangonana mba hanatevin-daharana ny STK ho fampiroboroboana ny asan’Andriamanitra , ary manainga ihany koa ireo tanoran’ny Sampana mba handroso hatrany amin’ny Asan’ny Tompo.

Ny Tompo anie hanafy hery sy hitondra saina matsilo ho an’ireo birao vaovao.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie.

|