Vous parcourez actuellement les archives de la catégorie S.V.K.
| L | Ma | Me | J | V | S | D |
|---|---|---|---|---|---|---|
| « oct | ||||||
| 1 | 2 | 3 | 4 | |||
| 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
| 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
| 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
| 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | |
11.3.2007 par samy520.
Amin’ny anaran’ny Sampana Vehivavy Kristiana eto amin’ny Tafo Ivry Famonjena , na antsoina amin’ny fanafoizan’teny koa hoe : SVK , no hisoloako vava eto.
Miarahaba anareo ihany koa tratry ny taona vaovao 2007. Fotoana ihany koa ho an’ny Sampana Vehivavy eto an-toerana , koa dia mahafaly ahy ny manolotra anareo fanazavana tsotsotra mikasika an’ity hoe SVK ity. Fototra iray ihany no hipoiran’ny sampana rehetra ao anatin’ny Fiangonana . Dia ny Fiangonana izany no fototra ary manome Sampana maro. Ka ao anatin’izany ny Sampana Vehivavy izay nomena toerana amin’ny maha izy azy. Fikambanamben ‘ny vehivavy rehetra tsy misy avakavaka ary manana anjara asa araky ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tompo. Izay ny mikasika ny amin’ny Sampana Vehivavy. Tsy najanona hatreo fa notohizana, nofehezina amin’ny teny hoe Kristiana, ka manome hoe :SAMPANA VEHIVAVY KRISTIANA, tapak’anaran’i Kristy io ,mitondra ny anaran’i Kristy ilay Sampana. Noho izany dia TITRA ambony faratampony ,fa tsy titra nangonina nalaina tetsy sy teroa, na koa titra nalaina tany amin’ny “domaine”, na galona nindramina, fa titra anarana masina.
INONA KOSA ARY NY ANDRAIKITRY NY SVK ?
Raha mametraka fanontaniana momba ny Sampana Chorale: mihira izy ao . Ao amin’ny Sampana Sekoly Alahady: mampianatra ny tenin’ny Soratra masina izy ao . Ao amin’ny Sampana Mozika : mitendry izy ao. Ao amin’ny Sampana Fifohazana: mivavaka ho an’ny tsirairay, mametra-tanana. Ao amin’ny Sampana Mpifady Toaka:mitarika ny olona hifady.
Izany hoe ny Sampana tsirairay dia manana ny asany avokoa.
Fa inona kosa ny Asan’ny SVK ? Jereo anefa, fa ao anatin’ny Sampana rehetra dia misy SVK avokoa. Manana ny soritr’asany anefa ny SVK: ny asam-piangonana rehetra ,misy ny adidy sy ny andraikitra lehibe amin’ny maha-renim-pianakaviana azy, eo anivon’ny tanora sy ny ankizy , indrindra ny asa sosialy. Maro dia maro karazana anefa ity asa sosialy ity. Noho izany , raha tsy mitoetra ilay fiombonana, firaisam-panahy sy ara-tsaina, sarotra ny fanantanterahana izany. Ny Kristiana rehetra eran-tany dia efa nandray ilay Fanekena, ny Fiombonan’ny Olona masina, ny Firaisan-kina, ny fiombonan’ny Mpino rehetra ; ary ny fitsanganan’izany fiombonana masina izany toy ny SVK dia tahaka ny mamoha ny olona izay tsy mahatsiaro na manadino ilay Fiombonana. Koa rehefa ao anatin’izany Fiombonana Kristiana izany dia tsarovy fa mijoro ho vavolombelon’i Kristy satria mitondra ny anarany ianao.
VAOVAON’NY SAMPANA:
Atsy ho atsy, dia hisy ny fanavaozana ny Birao hitondra ny SVK mandritry ny roa taona manaraka, koa mihomana isika rehetra ny amin’izany. Ho an’izay efa ao dia tsara ny fanohizana ny Asa, fa tsaratsara kokoa ny hizarana azy ireny amin’ny hafa. Misy mangetaheta ao , nefa ao ilay tsy fahasahiana, mety koa menatra, nefa mijoroa, sahia, azahoanao manantanteraka ilay hetahetanao mba ho isan’ireo izay mivimbina ilay anarana masina ianao. Ny 12 sy 13 May 2007, no ho tanterahina ny ZAIKABE NASIONALY SVK .; ka isika ato anatin’ny Faritany Afovoany no handray ireo vahiny avy amin’ny lafivalon’ny Frantsa miampy ny avy any La Réunion, ary manana anjara lehibe amin’izany isika SVK eto amin’ny Tafo Ivry Famonjena. Ny fanohanan’ny Fiangonana dia mitondra hery lehibe ho an ‘ ny Sampana. Misy ny Tee-shirt izay amidy, ary ny vidin’izany dia entina hikarakarana ny Zaikabe nasionaly. Dia ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra , Tompon’ny Hery sy ny fahefana rehetra. Koa dia apetrak’isika eo Aminy izany rehetra izany.
RASOLONDRALAVIDRAZANA Geneviève
Filohan’ny SVK-FPMA Ivry Famonjena
Posté dans S.V.K | Aucun commentaire »